Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 10h57
 

Malagasy

Fanentanana ny mpiasam-panjakana

Mba mahalalà menatra

lundi 26 janvier 2009 | Naivo kely

“Nampanongo tena ny rehetra ny nahita an’ingahy Florentin, nikabary teny Ambohijatovo ny sabotsy teo. “Ny fanekena ny 10% fanondrotana nomen’ny fanjakana isan-taona, dia tsy ekena. Ny fitakiana ny hijerena ny mari-karama no tokony ho jerena maika, ary manomboka izao, dia akatso ny asam-panjakana rehetra”.

Dia gaga ny maro raha nahita ireto nikabary teny Ambohijato. Iza no tsy nahalala an’ingahy Ramamonjisoa Florentin, fony vao niakatra ny fanjakana Ravalomanana, fa SG tao amin’ny minisiteran’ny Asam-panjakana ny lehilahy. Ady toerana tamin’ingahy Vola Dieu Donné no niseho tao, ary niafara tamin’ny fifandroahana. Tsy nisy tanteraka ireo kabary tsara lahatra nataon’ny tamin’ny 2002 ho fanatsarana ny fiainan’ny mpiasam-panjakana. Sa hilaza indray izy, fa nitaky ny hanatsarana ny mpiasam-panjakana no antony nanalana azy tao amin’io minisitera io. Olona hafa asaina mikabary amin’ny manaraka, fa tsy ireo efa hita fa tsy nahavoa fony nahazo toerana e !” Razily tsy very tadidy !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS