Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 11h32
 

Malagasy

Misaona ny asa fanaovan-gazety

Maty i mompera Remi Ralibera

samedi 22 novembre 2008 | Penjy R. |  3388 visites 
Tsy mena-miteny amin’ny tsy fahombiazana izay ampetraky ny mpitondra nifandimby teto izy

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany omaly maraina tamin’ny 10 ny mompera Remi Ralibera. Tetsy amin’ny hopitaly Policlynique Ankadifotsy izy no nolazoin’ny aretina nandritra ny andro maro, ka izao namoizany ny ainy izao. Ny 15 Aogositra teo no nankalaza ny faha-50 taona naha-pretra azy ny tenany. Ny nahafatarana betsaka azy dia tao amin’ny lakroan’i Madagasikara. Efa filohan’ny holafitry ny mpanao gazety teto Madagasikara i mompera. Nanana ny andraikitra lehibe teo anivon’ny FFKM izy. Tsy mena-miteny amin’ny tsy fahombiazana izay ampetraky ny mpitondra nifandimby teto izy. Raha ny fantatra, dia rahampitso alahady no fotoana handevenana ny nofomangatsikan’i Mompera Remi Ralibera.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}