Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Teny zato, kabary arivo

Maty dia velona ?

mardi 25 septembre 2007 | Naivo kely |  570 visites 

Dia maty tampoka indray ny masinina mikirakira atontan’isa tany Toamasina ny alahady alina teo, izay nampiteraka resabe toy ny nitranga nandritra ny fifidianana filoham-pirenena ny volana desambra lasa teo. Inona no dikan’iny fahatapahana teo amin’ny masinina iny ? Nifantoka tany ny sain’ny mpanara-baovao maro satria toa niady ihany ny vokatra teo amin’ny samy mpifaninana tany Toamasina voalohany, ka tsy mahagaga raha lasa ratsy ny fisainan’ny mpitazana. Mino anefa isika fa mba ho lafiny ara-teknika marina no niseho, fa tsy sanatria ka niniana natao iny milina maty dia velona tao Toamasina iny, indrindra fa nambara fa raitra avokoa ny fitaovana hampiasaina amin’ity indray mitoraka ity. Sa izao ilay antsoina hoe raitra ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}