Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h57
 

Teny zato, kabary arivo

Matevina fa manify

lundi 15 octobre 2007 |  674 visites  | Naivo kely

Inona intsony no sakana tsy ahafahana mampandroso ny tany sy ny firenena ? Io no mby ao antsain’ny maro raha mahita ireto depiote TIM mahatratra 106 nibata ny fandresena ary hianoka ny amboara maha-solombavam-bahoaka manomboka izao. Voahilika avokoa ireo antoko mpanohitra rehetra teo aloha ka zara raha nahitana antoko politika roa dia ny « Liaraiky » sy ny « Leader Fanilo » irery sisa hany mba manome endrika ny lapa satria dia saika tsy miankina avokoa ireo ambiny tafita teo anoloan’ny safidim-bahoaka. Mampatsiahy ny zava-misy fony Repoblika voalohany ny tantara izay nanjakan’ny PSD tanteraka ny sehatra maro, ka zara raha nahitana antoko hafa ivelan’ny fitondrana ny sehatra maro teto amintsika.

Fampandrosoana inona no tsy ho vita amin’izao ? Hita sy tsapa fa ireo tsy miankina aza dia mbola olona mankasitraka ny fitondrana avokoa ny ankamaroany saingy tsy narotsaky ny TIM dia nandeha tamin’ny anarany manokana. Ny tsininy kely fotsiny, dia matevina ny isan’ireo depiote fa manify ny isan’ny mpifidy nandatsa-bato, saingy tsy maha-very hasina ny olom-boafidy ny tahaka izany, fa « ny asa vita ihany no ifampitsarana » hoy ilay antoko izay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS