Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 22h10
 

Malagasy

Fanambaran’ny filoha Ravalomanana

Matanjaka izahay mpanohitra, hoy Vaovao Benjamin

mercredi 23 juillet 2008 | Naivo kely |  826 visites 

« Io indray ny fanjakana. Fanosoram-potaka ny mpanohitra no ataony. Aiza no ahitanay mpanohitra fitaovam-piadiana ampidirina eto ? Raha izany no izy matanjaka anie izany izahay e ». Io no nambaran’ny loholona teo aloha Vaovao Benjamin, mpikambana ao anatin’ny antoko AREMA.

"Tsapa fa misy olona mahazo tombotsoa betsaka amin’izany eto, ka ahilika aty aminay io. Toy izany koa ny mety hanarian’ny sasany fako simika aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara.

Tranga efa nisy taloha io fony fitondran’ny Profesora Zafy Albert, ka namono ireo hazan-drano maro tany anaty ranomasina. Hatreto dia hita fa misy tahotra anay mpanohitra, ka izay zavatra mitranga, dia toa heverina ho izahay hatrany ny ati-doha mikotrika".

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}