Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 19h17
 

Teny zato, kabary arivo

Mangidy lasa mamy

lundi 8 octobre 2007 |  1014 visites  | Naivo kely

Toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana intsony ireo nambara ho fijaliana niainana taloha, ka zary io indray no tsaroan’ny sasany ho modely ankehitriny. Mila fiovana ny Malagasy ka natao daholo ny fomba rehetra nandrendrehana ny mpitondra teo amin’izany fitondrana izany, ary nirohotra ny vahoaka mba tsy ho taran’ny fiovana izay tiana hapetraka. Nisy ny naratra, ary tsy vitsy ny maty sy very asa ary fananana, porofo nitohoka tamin’ny tenda ny raharaha 71 sy ny taona 91 nisian’ireny « diaben’ny Fahafahana » ireny. Nitohy tamin’ny vono olona teny amin’ny Cemes Soanierana ka isan’ny nahafaty an’ingahy Lahy Gaston, sy naha-voatifitra an’i Monja Jaona ny alin’ny 31 mars 92. Nipoitra indray ny raharaha 2002 izay tsy ho faty ao ampon’ny rehetra ireny fiarahana nisalahy namaky ny barazy manerana ny faritra enina teto amintsika, ary mbola nilatsaka ny ainan’olombelona, ary nandriaka ny ra. Iza no tsy hiaiky fa maro ny kamboty tsy fidiny ny fianankavian’ireo olona nambara ho nitolona ireo na avy amin’ny andaniny izany na ihany koa ny ankilany. Mby aiza ny vokatry io amin’izao fotoana ? Ilay fiovana notadiavina ity no zary ahatsiaroavana ny taloha hatrany. Firy ny vahoaka tamin’ny andron’i Amiraly no tsy manina ny fiainany tamin’i dadabe Tsiranana nitondra ? Voky hono ny kibo, ary ampy ho an’ny mpiasa tsara ny karama nomena azy ? Koa nahoana no novana ? Nitondra ny Profesora Zafy Albert, nefa dia naverin’ny olona tamin’ny toerany indray i Ratsiraka izay vao nahongana tsy ela ka tafapetraka indray teo amin’ny seza fiandrianany. Nalan’ny vahoaka indray rehefa hitany fa tsy nahomby, ary niakatra ny fahefana ny filoha Ravalomanana, dia io hiarahana mahita io indray ny ataon’ny sasany, fa aleo ihany ny teo aloha toy izay ny amin’izao, satria lafo ny vidim-piainana raha atao ny fampitahana. Koa raha ho manina ny lasa lava eto isika, maninona raha tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany mihitsy no averina e ? Toa tsy hita amintsika ny fiatrehana ny ho avy, zary mitodika amin’ny lasa hatrany. Lanja miakatra ny fiainana, ka anjaran’ny mpitondra ny mandanjalanja ny mety ho fahefa-mividy ny vahoaka tantanany, fa tsy sanatria ny mangidy omaly no hambara ho mamy androany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS