Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h20
 

Malagasy

Dinan’ny fanabeazana

Mandoa lamandy izay tsy mampiana-janaka

mercredi 1er octobre 2008 | Hery A. |  616 visites 

Nanaiky ny nananganana ny dina mifehy ny fanabeazana ny ray aman-drenin’ny mpianatra rehetra any amin’ny distrikan’ny Mahanoro. Nanatanteraka fivoriambe niaraka tamin’ny tompon’andraikim-panjakana isan-tokony ireo vahoaka rehetra tamin’ny faran’ny herinandro.

Teto no nambara amin’ny antsipiriany ny voarakitry ny dina novolavolain’ireo manam-pahaizana ka nankatoavin’ireo vahoaka, taorian’ny fivoriana. Voambara ao anatin’ny dina fa mandoa lamandy ar 20000 ny ray aman-dreny tsy mandefa ny zanany 6 taona, hatramin’ny 20 taona ho any an-tsekoly.

Mandoa ar 5000 kosa izay miala an-daharana eny antenantenany eny. Mandoa ar 5000 ihany koa ny mpianatra tsy hita ao anatin’ny 3 andro ka tsy manana fanamarinana sy antony mazava. Mbola mandoa dina ihany koa ny mpianatra sarona mijery video sy mijery « jiromena ». Namaranana ny fivoriana ny fampahafantarana fa misy ny fanadinana CEPE na dia eo aza ny fiovan-drafitra vaovao tsy maintsy atrehana. Ny tanjona amin’ireo fametrahana dina ireo dia ny hahatongavan’ny mpianatra hatrany amin’ny kilasa famaranana, raha voatery tsy maintsy hijanona amin’ny fianarana any aoriana any.