Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 13h46
 

Tsakotsako

Mampihorohoro, mampihoron-koditra

lundi 6 octobre 2008 | RAW

Mahetsaka, mahavalalanina, mahaketraketraka. Ireo ny teny avoaky ny vavan’ireo mpanara-baovao eto an-toerana raha mandinika ny fizotry ny raharaham-pirenena. Toa misy milaza ho kivy mihitsy. Indrindra raha mijery ny fihetsiky ny mpitondra sy mpiara-miasa amin’ny filoham-pirenena. Hafa ny tenenin’ny filoha, nefa toa hafa mihitsy ny lazaina sy ataon’ny mpanampy azy sy mpanatanteraka akaiky.

Toa mivadika ho fotsy ny mainty ary toa manao izay hampangidy hoditra ny filoha mihitsy aza matetika.

Isan’ny zavatra lehibe sy goavana indrindra ity fandriampahalemana ity nefa dia toa misy faly mampiady ireo ankolafin’ny mpitandro izany filaminana izany. Toa malaza mahay lalàna nefa toa mampieritreritra be ihany ny zava-nitranga tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Lasa saina tokoa ny maro fa manana endrika maro ity fampihorohorona ity. Asa aloha raha hisy fiantraikany amin’ny fijerin’ny mpitsara ny raharaha Bôlô ireny vaovao tamin’ny faran’ny herinandro ireny fa dia tena nihorohoro mihitsy ny mpanara-baovao raha nahita ireny tranga ireny. Inona marina no tanjona tamin’ireny ? Tsy mazava. Misavorovoro ny saina ary mampihoron-koditra, ny teny mahalaza ny fihetsem-po tamin’ireny.

Ny azo antoka dia ny fihetsika maneho fahefana tafahoatry ny eritreritra (entendement) sy tsy mitsinjo fa ny olona dia vatana sy saina ary fanahy ary malagasy no iresahana dia isan’ny fampihorohorona. Isan’izany fampihorohorona izany koa ny manao tsindrio fa lavo sy didiko fe-lehibe tsy amin’antony. Ny fandrangarangana fa manana fahefana ary afaka mampiasa izany na dia tsy amin’ny laoniny aza. Ny fitompoana teny fatratra, tsy manaiky ho diso na tsy mihaino ny hevitry ny sasany fa manao tian-kano tsy tian-kano dia azo lazaina fa isan’ny fampihorohorona ihany koa.

Raha tsorina dia ny fahefana tsy amim-pahendrena dia fampihorohorona ihany koa, ankoatra ireo efa voambara ao anatin’ny fehin-kevitry ny Firenena Mikambana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS