Ny fampiakarana avo roa heny ny fambolena no vaha-olana haingana ahafahana misoroka ny fahapotehan’ny toe-karena. Ho firenena afaka mivelona ara-dalana sy manondrana isika. Fepetra noraisin’ny fanjakana ankehitriny io hampiakarana avo roa heny ny fambolena eto Madagasikara io, indrindra fa ny vary.
Isan’ny nambaran’ny filoha Ravalomanana io tany ivelany, manoloana ny ho fisorohantsika ny krizy ara-bola maneran-tany. Mampahatsiahy tamin’ny andron’ny amiraly Ratsiraka fony repoblika faha-roa nanambara tamin’ny vahoaka isaky ny mikabary ny hoe mamokara, mamokara. Ny tany rahateo midadasika, ahafahana mampiakatra avo ny vokatra tokony ho volena. Ny indro kelin’ny mpandrafitra, dia ny fitaovana entina mampiakatra ny vokatra no olana. Io hiarahana mahita io ny fidangan’ny vidin-jezika. Ny masom-boly tsy lazaina intsony. Ny finihavana betsaka, fa ny ho enti-manana no tsy ampy. Eo no ilana ny hetsika ataon’ny fanjakana mba hanamorana ireny fitaovana isan-karazany ireny. Inona no sakana tsy ahavita izany ? Raha tena vonona ny hisoroka ny loza tsy ho tonga eto isika, dia omeo ny sehatra sahaza azy ny fambolena sy ny fiompiana eto, fa hiakatra ao anatin’ny fotoana fohy ny toe-karena Malagasy.