Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h50
 

Teny zato, kabary arivo

Mahatsiaro ny tany niaviana

vendredi 7 décembre 2007 |  1046 visites  | Naivo kely

Manomboka mivoaka avokoa ankehitriny ny lasitra ho fanarenana an’Iarivo izay tavela tany ambata rehefa nandositra niala an’i Madagasikara ramatoa Ravololomanana Lalatiana, kanefa miseho masoandro indray ankehitriny. Ny fanamboarana an’Atsonjombe no tiana hambara eto, satria kandida iray izay mirotsaka ankehitriny no isan’ny tompon’andraikitra tamin’ny fampielezan-kevitr’io ramatoa io tamin’izany, saingy tsy tafita ho ben’ny tanàna io olona io. Tsy ratsy ny fanohizana izay heverina fa ho atao, kanefa mahalasa saina ny maro ihany ireo fanambarana tamin’ny haino aman-jery andro vitsy monja izay ny filazana fa misy amin’ireo olona nitsoa-ponenana any ivelany anie ao ambadiky ny kandida iray eto andrenivohitra e. Nitondra fanazavana ity kandida ity manoloana izany, ary nohamafisiny fa tsy kandidan’antoko izy fa an’ny vahoaka manontolo, nefa iza no tsy nahatsikaritra ireto mpanao politika ao amin’ny mpanohitra teny Andohalo ny alarobia teo raha nanao fampielezan-kevitra teny ingahy TGV ? Ny mpanohitra ve no te hamotika ity kandida hambara ho tanora ity, sa ny fifamatorana no tsy azo hialana intsony ? Raha hiverenana ilay fanamboarana an’ilay kianja etsy Antsonjombe, dia hita fa mahatsiaro ny tany nihaviany ireo any ivelany, ka tokana ny tanjona amin’izany, dia ny fahazoana ny fon’Antananarivo satria ny tolona rehetra dia tsy mahomby raha matory ny vahoaka eto andrenivohitra. Inona no tahotry ny mpanohitra tsy hanambarana ny marina, sa avelao ho faty ny baolina vao hioraka ny mpanohana ? Dia ho sanatria ve mbola hitoetra ihany ilay teny hoe tsy mijapy soavaly maty, ka ny tanora no atao sorona ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS