Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 22h56
 

Teny zato, kabary arivo

Mahamenatra

samedi 9 juin 2007 |  265 visites  | Naivo kely

Fa dia farahidiny toa inona loatra re ny tenin-drazantsika no atao valalan’amboa ? Mahamenatra ny fikilasiana ny teny Malagasy ho tenin’olona ambany ka raha vao io no ifampiresahana dia mihevitra ny hafa te-ho ambony fahalalàna fa nandra ity olona iresahany ity.

Taiza tany amin’ny firenena vahiny isika no nahita fety tao amin’ny tanànany ka teny gasy no iarahabana ny reny raha tonga ny fetiny ? Firenena iza no mampiasa io fiteny io amin’ny raharaham-panjakana ao aminy na dia iray segaondra monja aza ?

Lasa ny saina sy ny heritreritra mahita ny tatitry ny governemanta eny Tsimbazaza adika amin’ny fiteny Frantsay. Fa angaha moa mahay io tenim-bahiny io avokoa ny depiote ao na ny loholona ? Sa natao hideraderana amin’ny mpamatsy vola no anton’io ? Ekena fa natao ho tenim-pirenena amin’ny fomba ofisialy ny teny Frantsay sy ny teny Anglisy, saingy aoka hajaina ny fomba netin-drazana hatramin’izay ka tsy ho folaky ny andro sendra miserana eo amin’ny fiteny avy any ivelany isika. Ny fahitalavim-pirenena ary izay natao hitaiza ny zaza malagasy amin’ny soa toavina Malagasy, dia mahamenatra raha nahita ny fankalazana ny fetin’ny reny farany teo fa zaza vao mibada dia fiteny vahiny no terena asainy iarahabana ny reny Malagasy. Soa aloha fa mbola misy ireo miaro ny soa toavina Malagasy ka tsy ho resy tondro-molotra eo anatrehan’ny taranaka malagasy isika mianakavy, indrindra fa ahatsapa tena ny be rehareha fa tsy teny fara-hidiny ny antsika fa manan-daja eo anatrehan’ny fiaraha-monina rehefa tsy omen’ny vahiny lanja.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS