Mitoman-davana ny fiakaran’ireo ambara ho fanetriben’ny firenena nanamparitaka ny laza adina nandritra ny fanadinana BEPC farany teo ka maro no efa naiditra am-ponja amin’isika manoratra izao. Omaly ary hitohy androany dia efa mahatratra 60 ny niakatra fitsarana teny amin’iny faritra Avaradrano iny, ary mbola hitohy anio.
Fepetra tsara hisorohana ny gaboraraka ny tahaka izao, ka mba ho anatry ny aty afara, satria tsy azo lavina fa fanetriben’ny firenena ny fanomezana poizina ny taranaka Malagasy tahaka izao.
Vanim-potoan’ny fandrosoana sy ny fiovana izao, ka tsy mahagaga raha fongorona hatrany ifotony ny raharaha, saingy aoka hiavaka tsara ny vary amin’ny tsiparifary noho ny fandrenesana fa misy fanosoram-potaka olona fotsiny ity raharaha ity. Maniry ny maro mba ho fantatra ifotony tena olona amin’izao, ka hiala ao an-tsain’ny maro ny hoe madinika tsy ho vaventy amin’ny sehatra ratsy tahaka izao.