Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 23h06
 

Teny zato, kabary arivo

Loko matroka

samedi 25 août 2007 |  172 visites  | Naivo kely

Nivoaka ny listra neken’ny HCC hifaninana hiaka-dapa ho an’ireo tsara vitana ny 23 septambra izao, ka sahiran-tsaina ny rehetra mahita ireo mpiray donak’afo zary mifandefona ivoho. Nalazo tokoa ny ravina nihinana, ka samy naka ho azy ny mpiray antoko, rehefa avy nifanipaka toy ny valala an-karona tao ry zalahy sy ry zavavy.

Vala-ketraka ny mpifidy mpanara-dia ny antoko TIM raha mahita fa ilay loko marevaka nahafatifaty ny be sy ny maro teo no indro matroka tsy fidiny. Ny 80% amin’ireo depiote voaongotra tao amin’io antoko matanjaka io no voahilika tsy ho isan’ny kandida intsony ka nirotsaka any amin’ny antoko hafa na nandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana. Hanao ahoana tokoa ny ho fihetsiky ny mpanohana raha mahita izao ady an-trano mamohetra izao ? Manome rariny ny filoham-pirenena ny ankamaroan’ny maro raha nandrava tao anatin’ny fotoana fohy ny Antenimieram-pirenena izy, izay ny antoko TIM no maro an’isa tao kanefa dia tratry ny sikilaonina izy mianakavy. Vitsy dia vitsy sisa ireo mbola nanan’ny antoko fitokisana ka io tafiditra ao anaty lisitry io. Hatreto aloha dia hita fa mamy ny toerana matoa maro no tsy nanaja ny hevitry ny birao politika amin’ny toerana hifandimbiasana, ka io nivoaka ny vala io ny ankamaroany. Dia ho sanatria ve namelona zana-baratra ity antoko ity ?

Ny valim-pifidianana hatrehan-tsika tsy ho ela no tena hamantarana izay handresy amin’ireto mpiray donak’afo teo aloha ireto, ka hiantefan’ny safidin’ny maro, fa ny aina no mateza ahitana ny farany e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS