Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 20h00
 

Teny zato, kabary arivo

Lasan’ny Sinoa ny tanàna

vendredi 5 octobre 2007 |  1563 visites  | Naivo kely

Raha mbola mihanahana amin’ny fandefasana ireo ampaham-bola nifanarahan’ny firenena Malagasy taminy ireo hambara ho mpamatsy vola mahazatra antsika toy ny FMI sy ny BM, dia misosoka mametraka ny fiaraha-miasa matotra kosa ny firenena hafa, toy ny ataon’ny Sinoa amintsika izao. Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta, izay tsy zoviana amin’ny maro ny asa nataon’ity firenena azo hambara fa isan’ny mpatanjaka eto amin’izao tontolo izao, toy ny fanamboarana làlana, Hotely goavana misy kintana dimy atao eny Ivato, ary voalaza omaly tamin’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny filoha Ravalomanana fa hanao hopitaly lehibe iray indray ireto sinoa ireto ka ny taona 2008 iny avokoa ny hamitana io ireo asa ireo. Ny zana-bola alohan’ny fanjakana Malagasy amin’ireo asa ireo dia 2% ary ao anatin’ny 20 taona no hamerenana azy. Tsy asa vita sinoa toy ny hita etsy Behoririka io, fa asa manara-penitra ary atao ho modely aty Afrika ireo zava-bita ireo.

Azo tsampain-tanana ny vitan’io tany iray io, ary mampiova endrika ny tanàna, izay tsy midika akory fa mivarotra tanindrazana amin’ny vahiny, fa endrim-piaraha-miasa ihany io, ary mijanona ho fananan’ny Malagasy tanteraka ireo asa vita. Inona tokoa moa no tsy hijerena làlam-barotra hafa tahaka izao, raha milona ihany ny fanampiana ataon’ny FMI sy BM ? Mila vola isika amin’ny asa izay atao, kanefa tao anatin’ny taona maro niarahana tamin’ireto mpamatsy vola ireto, hatraiza no azo handrefesana ny toe-karena misy eto ? Tsy atao mahagaga raha nilaza indray maka izay ny filoha Ravalo nanao hoe aoka samy hanaja ny teny nomeny isika. Tetsy Tsaralalàna no nanambarany io, ary vao tsy ela no no nanomezany teny hentitra ho an’ireto mpampanjana-bola vahiny ireto. Koa mahaiza misafidy amin’ireo vonona tena hampandroso marina ny tanindrazana, fa tsy sanatria isika manankarena eo amin’ny lafiny maro indray no andeha hisolelaka ny hafa, fa mahaiza mametraka ny hambom-po mba tsy ho lasa ho fitaovan’ny hafa hatrany isika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS