Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 10 octobre 2025
Antananarivo | 01h19
 

Malagasy

Fonjan’Ankazobe

Kongona 12 kapoaka no mihinana ireo gadra

vendredi 8 août 2008 | Penjy R. |  1718 visites 

Manaova ny marina. Làlana iray tsy ahatafiditra anao any amponja io. Maharikoriko ny zava-misy ao amin’ny fonjan’Ankazobe. Lanin’ny kongona ireo voafonja, ka ny tompon’andraikitra misahana ny fahasalamana ao an-toerana no miditra an-tsehatra mamono izany amin’ny alalan’ny DDT.
Isaky ny efa-bolana no hanaovana izany isan-taona, ary mahatratra 12 kapoaka no maty rehefa voahangona. Voalaza fa misy amin’ireo voafonja ireo ny manao asa ivelan’ny fonja. Mihoron-koditra noho izany ny mponina, satria heloka goavana no hitazomana azy ireo, nefa dia izao tafavoaka manao asa hafa izao ry zalahy.