Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 15h57
 

Tribune libre

Kabarin’ny Filohan’ny Tetezamita Atoa Rajoelina Andrinirina

mercredi 2 janvier 2013

Ry Malagasy Namana manerana ny Nosy, afaka ora vitsy dia hivalona ny taona 2012. Maro ny zavatra nitranga tao anatin’izay erin-taona izay.

Tao ny ezaka hita maso sy azo tsapain-tànana, na dia lalan-tsarotra sy be fandripandrika hatrany aza no nodiavintsika nandritra iny taona iny. Eny, hatramin’ny andro androany aza.

Saingy nitafy “Herim-po” sy “Herin-tsaina” ary “Herim-panahy” isika mba nahatratrarana ny fanamby rehetra izay napetraka.

Napetraka tokoa mantsy ny fanamby, àry azo lazaina tsy misy ambahamba, fa tratra ny tanjona,

satria efa manomboka mioty ny vokatr’ireo novolena isika ankehitriny, raha ny fotodrafitrasa maro voatsangana no resahina.

Ry Malagasy Namako,

Voaporofo àry, fa manomboka tafapetraka ny “Fampandrosoana Isam-paritra”, satria :

tafajorontsika ankehitriny ny “Hôpitaly Manara-penitra” miisa valo manerana an’i Madagasikara, voaorina ihany koa ireo “Trano Mora” aman-jatony maro ho an’ny Tanora manerana ny Nosy, toy izany ihany koa ireo “Trano be Fonenan’ny Mpianatra” any amin’ny Oniversité rehetra any amin’ny Faritra, iaraha-mahita toa ny “Masoandro be lohataona” koa izao, fa tsy resa-be na sanatria fampanantenana poak’aty, ny Sehatra goavana ho an’ny Mpanakanto, dia ny “Coliséum de Madagascar” eny Antsonjombe izany, tsy latsa-danja ihany koa ny “Kianja Makis” ho an’ireo “Mpilalao Baolina Lavalava”, eny Andohatapenaka, niezaka koa isika teo amin’ny fampitaovana ny Air Madagascar, tamin’ny alalan’ireo “Fiara manidina ELATRA – AIRBUS A340”, na dia mbola maro aza ny ezaka mbola tokony ho ataon’ireo Tompon’andraikitra Mpitantana ao, mba hampijoro hatrany izany orinasam-panjakana izany.

Raha fintinina dia :

niezaka isika, nametraka isika, ary nanangana sy nanorina isika, eny, na dia tao anatin’ny fotoan-tsarotra aza, tao anatin’ny Tetezamita, ary tsy nisy fanampiana avy any ivelany.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Na dia izany aza anefa dia tsy misy ny tonga lafatra, ary ny manao zavatra tsy mora. Misy ireo lesoka tsy maintsy hiarahantsika manarina.

Anisan’izany :

Ny fanaparapahefahana izay mbola hita eo anivon’ny Tompon’andraikitra samihafa isan’ambaratongany,

Ny tsy nahafahantsika nifantoka tamin’ny famoronana asa noho ny vanim-potoana Tetezamita iainantsika,

Eo ihany koa ny kolikoly izay latsa-paka, ka tsy maintsy resena,

Ny tsy fisian’ny mangarahara, eo amin’ny fifaninànana hidirana ho Tompon’andraikitra eo anivon’ny asam-panjakana maro samihafa, eto amin’ny Firenena, dia ilaina ezaka izany rehetra izany.

Teo amin’ny lafin’ny fandriampahalemana kosa dia nampihorohoro ny rehetra ny asan-Dahalo tany Atsimo, izay niseho tamin’ny endriny vaovao.

Nihorohoro tokoa manko ny Mponina, maro ireo very fananana, tao ireo namoy havana, nefa azo lazaina kosa fa miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny fiainana any Atsimo, amin’izao fotoana izao.

Ary eto aho dia te hankasitraka manokana ireo Mpitandro ny filaminana izay tena nanao ny ainy tsy ho zavatra, teo amin’ny fanatanterahana ny andraikitra nankinin’ny Fitondràna tamin’izy ireo.

Nandao ny tokan-tranony nandritra ny volana maro izy ireo, àry indrisy, nisy mihitsy aza ireo namoy ny ainy.

Raha mbola Malagasy ihany koa, dia tokony hankahery ireo Mpitandro ny filaminana ireo, fa tsy hanenjika na hanome tsiny, toy izay ataon’ny Tompon’andraikitra ambony sasany, izay zary lasa manome vahana, ka mampirongatra indray ny asan-Dahalo ankehitriny.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Manoloana “Safidy” hatrany isika Olombelona.

Ohatra amin’izany, ny hoe :

“Hisara-bazana isika sa Hiray hina ?”

“Hifankahala sa Hifankatia ?”

“Hifandrafy sa Hifandray Tànana ?”

“Hamotika sy Handrava, sa Hanorina sy Hanamboatra ?”

“Hihemotra sa Handroso ?”

Eto am-pitsidihana ny taona vaovao 2013, izaho, ianao, isika rehetra no mila mandinika izany safidy mipetraka amintsika izany.

Ny vanin’andron’ny faran’ny taona toa izao tokoa mantsy, no fanaovana “Fandinihan-tena mangina” ary koa fanaovana jery todika.

Koa miantso anao, miantso antsika rehetra tsy misy ankanavaka ny tenako mba samy hiondrika ka samy handini-tena teo amin’izay vita teo aloha rehetra ary koa eo amin’ny Ho Avy izay ho hatrehana.

Manana ny « Soa toavina » isika Malagasy.

Ary koa finoana sy ny fitokisana an’Andriamanitra.

Noho izany, mino sy matoky ny tenako fa Malagasy mifankatia, Malagasy miray hina, Malagasy mifandray Tanana ka vonona hanorina sy hanambotra “Fiaraha-monina Vaovao sy Madagasikara Vaovao” no Malagasy hitsena ny taona vaovao 2013 .

Ry Malagasy Namako,

Eto am-pamaranana ny tenako dia mitodika manokana :

Amin’ireo izay mahatsiaro tena fa irery,

Ireo kamboty,

Ireo tsy salama,

Ireo tsy misy mpiahy,

Ary koa ianareo Malagasy Namako rehetra ao anatin’ny tebitebin-tsaina sy fangirifiriana, noho ny antony maro samihafa.

Mitsidika anareo isam-baravarana ny Tenako, ary mirary faran’ny taona feno fitoniana sy fitokisana ny Ho Avy, ka mba ho ampitso mamiratra sy feno hafaliana, ao anatin’ny fahasalamana sy fahombiazana anie, no miandry antsika rehetra.

Ary mirary koa raha mirary, ny soa sy ny tsara indrindra, ho an’ny isam-batan’olona sy ny ankohonona tsirairay avy, amin’izao ankatoky ny taom-baovao 2013 izao.

Andriamanitra manakarem-pahasoavina anie hitahy antsika mianakavy !

MASINA NY TANINDRAZANA !

Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS