Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 12h57
 

Tribune libre

Kabarin’i Andry Rajoelina faran’ny taona 2010

lundi 3 janvier 2011

Ry Malagasy namako mpiray Tanindrazana rehetra,

Isaorantsika Andriamanitra nitantana ny diantsika nandritra iny Taona 2010 iny. Taona 2010 nisehoan’ny fisedràna maro satria lalan-tsarotra ary be fandripandrika tokoa no nodiavina.

Tsy hay ny tsy hankasitraka ary haneho fisaorana ny vahoaka Malagasy izay nanaporofo ny finoany, ny fitokisany ary ny fitiavany.

Tao anatin’ny fotoana mavaivay saika nahakivy no nipoiran’ny hery, fanantenana ary fomba fijery vaovao ka niarahantsika nanorina sy nandrafitra miaraka ny lamim-piaraha-monina vaovao ho an’I Madagasikara vaovao.

Ary dia teraka ny Repoblika faha-efatra izay nanamarika ny tantara, nametrahan’ny Vahoaka Malagasy ny fanantenany iray manontolo. Matoky ho avy mamiratra ho an’I Madagasikara ny tenako rehefa miaraka aminao sy ampianao.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny sedra mafy nolalovantsika nandritran’izay iraiky amby roapolo) volana lasa izay dia tsy maintsy hiteraka vokan-tsoa. Satria tao anatin’ny fotoana tena sarotra isika no nahay nifankahery sy niray hina hatrany am-boalohany ary mila hamafisintsika izany hatramin’ny farany.

Na teo aza ny fitsapana sy ny sakana samy hafa dia tanteraka soa aman-tsara tao anatin’ny filaminana sy ny mangarahara ny fitsapankevibahoaka. Tanteraka izany tamin’ny hery sy ny fitaovana teo am-pelatanantsika. Tafapetraka ilay teny filamatra hoe : “ambom-po pirenena sy fitiavan-tanindrazana” tao anatin’ny firaisan-kina.

Ary na dia tsy nisy aza ny famatsiam-bola avy any ivelany dia mbola vitantsika ihany koa ny nanefa ireo trosa rehetra nobaben’ny firenena Malagasy.

Tsy nanao findramam-bola koa isika ary tsy namorona vola tsy misy antoka (na atao hoe “planche à billets”).

Tsy nitontongana ny sandam-bola Malagasy fa voatazona ny heriny raha hoarina amin’ny sandam-bola vahiny.

Napetraka ny pôlitikan’ny fitsitsina eo anivon’ny kitapo-bolam-panjakana ary namafisina ny fitantanana mba tsy hisian’ny gaboraraka intsony sy ny fandanim-poana.

Ohatra amin’izany dia nahantona ny fivezivezen’ny ankamaroan’ireo tompon’andraiki-panjakana mankany ivelany mba hanafoanana ny fandaniana mihoa-pampana.

Teo ny fanenàna ny teti-bolam-panjakana amin’ny akapobeny hatrany amin’ny 44% izay tsy nanakana ny fametrahana foto-drafitrasa maro.

Mba hitandrohana ny tsy isian’ny fiatraikany ratsy amin’ny fiainam- bahoaka dia vitantsika koa ny nitazona ny vidin’ny solika.

Tao aorian’ny fametrahana ny pôlitikan’ny fitsitsina sy ny ezaka amin’ny fahaiza-mitantana dia efa hita taratra ny fandrosoana.

Ao ireo fotodrafitrasa maro izay ho tanterahina toy ny “trano mora”, ny fanamboarana “hopitaly manara-penitra”, ny “tramway”, ny petra-bola manokana enti-manampy amin’ny famoronan-kasa ho an’ny tanora, ireo lapa sy kianja ara-panatanjahantena, ary ny sehatra natokana ho an’ny kanto eny Antsonjombe izay anisan’ny lehibe indrindra aty amin’ny ranomasim-be indianina.

Eny na dia teo aza ny ezaka sy ny vokatra tsara azo tsapain-tànana dia mbola betsaka ny miandry antsika. Singaniko manokona amin’izany ohatra ny fitandroana ny fandriam-pahalemana an-dRenivohitra ka hatrany ambanivohitra, ny ady amin’ny kolikoly sy ny famoronana asa.

Teo andanin’izay dia nisy koa anefa ireo fitakiana tsy nanaraka ny zava-misy izay nanakoron-tana ny fandehanan-draharaham-panjakana araka ny tokony ho izy. Sarotra tokoa ny manova ny fitondran-tena sy ny fomba fisainan’ny tsirairay avy.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Tokony hiaraka hitady ny fomba rehetra hampandrosoana an’ity Firenena mamintsika ity isika ary hitsinjo ny ho aviny.

Tokony hifanaja isika ary hatsahatra ny fihetsika sy ny fiteny mandratra ary ny fiantsiana.

Aoka izay ny “fifandrafiana”. Ampy izay ny “fifanenjehena”.

Tokony hiezaka hifampieno isika. Azo atao tsara ny mifanatona ao anatin’ny fifanajana baikon’ny fahendrena maha-Malagasy.

Aoka tsy hisy intsony ny hampizarazara na hampiady ny samy Malagasy fa mba hiray saina sy hiray fo isika.

Ka ny “fifandeferana” sy ny “fifanakalozan-kevitra tsy misy ambadika na fiatsarambelatsihy” no hibaiko ny tsirairay.

Efa noekentsika tany amin’ny fihaonam-be-pirenena ny fananganana ny governementa iraisana hahafahana miatrika ny fifidianana rehetra izay ho tanterahina ny taona ho avy satria ho “taonan’ny fifidianana” ihany koa ny taona 2011.

Ry Malagasy namana,

Eto aho dia mitodika manokana amin’ireo marofo, ireo marary, ireo kamboty, ireo matsiaro tena fa tsy misy mpiahy ary koa ianareo Malagasy namako rehetra. Amafisiko fa hitsinjo hatrany ny fanatsarana ny fiainan’ny tsirairay avy aho ary hanome ny hery rehetra hampandrosoana ny firenena.

Hiroso isika, hiara-hanatanteraka ilay fanamby napetratsika dia ny hanorina Madagasikara vaovao, mitraka, mandroso, ho reharehan’ny Malagasy rehetra.

Betsaka ireo tetikasa miandry antsika, ary na inona na inona mety ho asarotan’izany, dia ho “taonan’ny fanamby sy ny fandrosoana” ny taona 2011.

Raisiko ho adidy miaraka aminareo Malagasy namako izany fanamby izany ary ho vitantsika izany.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Mirary raha mirary ny soa sy ny tsara indrindra ho an’ny isam-batan’olona sy ny ankohonona tsirairay avy amin’izao ankatoky ny taom-baovao izao ny tenako.

Mitsodrano antsika rehetra manerana ny Nosy hitsena ny Taona Vaovao 2011 ao anatin’ny “Fahasalamana”, “Fandriampahalemana” sy “Firavoravoana” !

Hanjaka eto amin’ny firenena anie ny fitiavana izay ao anatin’ny filamatry ny Repoblika.

Matoky ny “ho Avy” isika ary matoky ny “fitahian’Andriamanitra” !

Masina ny tanindrazana !

Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy !

Andry Rajoelina

3 commentaires

Vos commentaires

  • 3 janvier 2011 à 09:05 | ericraza (#4709)

    BÔF !
    Parler pour ne rien dire, c’est sa spécialité !!

    • 3 janvier 2011 à 09:18 | N.R. (#2958) répond à ericraza

      Je me joint au président de la transition pour vous souhaiter bonne année

    • 3 janvier 2011 à 11:04 | ericraza (#4709) répond à ericraza

      J’ajouterai même : « c’est tout ce qu’il sait faire »" !!

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS