Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 21h10
 

Teny zato, kabary arivo

Izay vao tena... tapitra !

jeudi 26 juillet 2007 |  140 visites  | Penjy R.

Mangoron’entana ny mpilalao resy, ary samy mamonjy ny toerana nihaviany avy. Tsy nisy fanaovam-beloma iraisan’ny mpilalao tao amin’ny kianjan’ny Antenimiera, fa izay mbola hiverenana eo raha tahian’ny vahoaka no maika. Io no tsapa raha mahita ireto solombava niolomay andao ilay toerana nahazoan-karena, nahafahana ihany koa nitondra ny anjara biriky ho an’ny firenena, ary ny tena lehibe dia ny nahafahana nanao izay ho afany ho fampanjakana ny tena demokrasia na dia nisy voagadra aza tamin’ireto olom-boafidy sasany ireto.

Hifanosona amin’ny vahoaka izy ireo manomboka izao, ary ho tsarain’ny karatra eny izay tsy mba zatra nifanantona tamin’ny vahoaka indrindra fa ny mpiavonavona. Kely finoana ny rehetra raha mbola hahatratra 20% ireo olom-boafidy teo aloha no ho tafaverina handray ny seza manaraka, ary manomboka izao dia depiote tsy mitady tombontsoa, mahay mitondra ny feon’ny vahoaka no ilaina fa tsy ho sanatria ho mpanagan-tanana fotsiny no atao. Tapitra anio izany ny fahefan’ireo teo aloha fa mba anjaran’izay handimby azy ireo indray no miomana handray ny fahefana raha te ho mamim-bahoaka .

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS