Nahazo izay niriany avokoa ny faritra izay nolalovan’ny filoha Ravalomanana. Tsapa io raha nanao fitsidihana tany amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny ny tenany. Fangatahana nataon’ireo lehiben’ny faritra dimy tany an-toerana, izay tsy nisy nolaviny fa ho azony izay niriany hampandrosoana ny faritra.
Raha mahita izany ny maro, dia mba maniry ny hitsidihan’ny filoha ny faritra misy azy ny rehetra. Hita taratra fa misy asa mivaingana vita vetivety isaky ny faritra lalovany. Midika ve izany fa miandry ny filoha handalo ny faritra vao misy asa mivaingana ? Izay mahavangivangy tokoa tian-kavana, ary hita fa tsy mamela ny faritra ho irery ny filoha fa midina ifotony mijery sy manampy izay lalovany. Dia iza indray no faritra ahazo ny anjarany manaraka ?