Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 23h06
 

Teny zato, kabary arivo

Izay mahasoa andramana avokoa

samedi 26 avril 2008 |  762 visites  | Naivo kely

Rehefa tsy vokin’ny vary dia apemba indray no hanina. Toa nahazo sehatra teo anivon’ny fiaraha-monina indray tao ho ao ny filazana fa azo asolo ny vary ny apemba. Ho foton-tsakafo ho antsika Malagasy mihitsy no tanjona amin’izany. Nandritra ny fiotazana ny apemba novolena teny Iavoloha ny alarobia teo no niampitan’ny hafatra tany antsain’ny vahoaka. Be otrikaina, ary mahavelona izy ity, ary afaka hambolena azy io tsara ny faritra maro eto Madagasikara. Telo volana dia efa mioty.

Efa ela no nandrenesana karazan-tsakafo afahana manolo ny vary teto Madagasikara ka isan’io ny mangahazo ny katsaka, ary ny ovy. Ny kibon’andrenivohitra no tsy zatra ireo, fa efa ela anie ny any ambanivolo any no ireo no ataony foton-tsakafo e. Indray mandeha isan-kerinandro raha ahita ny faritra lavitra andriana vao mba mahita vary. Ny tsapa anefa dia matanjaka tsara ireo Malagasy mihinana izany.

Miaka-bidy andro aman’alina ny vidin’ny vary. Karazana aro riaka ataon’ny fanjakana ity fitaomana ny maro mba hamboly Ampemba ity, ka tsy hiantehitra amin’ny vary intsony. Ho zatra izany ve anefa ny vavonintsika ? Izay mahasoa andramana avokoa, saingy ao ny mivadika ampemba fa ny an’ny hafa kosa efa akoho ritra sy hanimpitoloha isan’andro. Manaraka fiainam-bazaha e. Hita taratra io amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS