Tantara mitohy ny ao Fianarantsoa amin’ity teny zato ity, satria resaka azo roritina ho tsapan’ny ambany lanitra ny resaka. Tsy ho entina hialonana ny hafa ny fandrenesana ireo fitaovana maro azon’ny kaominina tao Fianarantsoa, saingy amboary ny resaka mba tsy haharatsy saina ny mpitazana. Aiza kosa ve ka kaominina misahana olona aman’alina no omena 100 tapitrisa ariary. Misambotra olona heverina ho ratsy toan’i Pety Rakotoniaina anefa dia omena vola mitovy amin’io izay mahasambotra azy ? Tsy fanaovana tsinotsinona ny ambanilanitra ve ny tahaka izao ? Tsy azo odian-tsy hita fa misy ambadika politika io fisamborana ny ben’ny tanàna teo aloha io, koa moa ve io vola nomena ny kaominina io ilay vola hisamborana an’ilay mpiafina any andavam-bato ? Toa mitovy ihany ny iray sy ny an’alina raha izao koa iza no tsy hilaza fa lasa volamena ingahy Pety satria ny mitovy amin’ny fampandrosoana ny kaominina misy vahoaka aman’etsiny no omena olona iray maha-sambotra azy ?
Iray sy an’aliny
vendredi 22 juin 2007 | 118 visites |