Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 12h32
 

Teny zato, kabary arivo

Io sahady ny sefom-pokontany

mercredi 19 septembre 2007 |  181 visites 

Mihorohoro ny mponina ao Manjakandriana noho ny ataon’ny sefom-pokontany ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana manery ny mponina hifidy ny antoko TIM. Miseho lany koa ny fandikan-dalàna ataon’ny tompon’andraikim-panjakana sasany ny talata herin’ny omaly izay nitokana foara tany amin’io faritra io, ka nanaovana Propagandin’ny TIM. Notokanana ihany koa ny sekoly tao amin’ny kaomina Ambohijato izay mbola nanaovana fampielezan-kevitra ihany koa ho an’ny kandidam-panjakana. « Fitarainana voaraiko ireo » hoy ny Jeneraly kandida Razakarimanana Ferdinand, ka tsy maintsy hambarako ». Manao antso avo amin’ireo mpanara-maso ny fifidianana ny tenany mba hijery akaiky izao toe-javatra izao, satria ny io sahady aza hoy izy ny sefom-pokontany fa manao ny ataony.