– Tobin-dasantsy eto andrenivohitra : Afindrao ivelan’ny tanàna, hoy i Moxe
Raha sanatria ka ho avy ny loza, dia eo isika mianakavy no raisina. Io no fangatahana mateti-pihavy ataon’ny loholona Moxe Ramandimbilahitra dia ny tokony hanamindrana ireo tobin-tsolika etsy Ankorondrano sy Soanierana. Tsy fahita firy eran-tany izany tombin-tsolika atao ampovoan-tanàna feno vahoaka mivezivezy izany. Eto amintsika ihany no ahitana io, nefa loza mitatao ho an’ny vahoaka ny fipetrahany ampovoan-tanàna toy izao. « Tsy sasatry ny mangataka ny hamindrana azy io izahay ato amin’ny Teza. Ny toby mpaninjara kosa, dia tsy olana ny fahitana azy isaky arabe eto atanana. Ho entinay eto anatrehan’ny fivoriana ato amin’ny senat ity fangatahanay ity », hoy i Moxe, « ary azo atao tsara ny mamindra azy io any ankafa, na dia handaniana vola misimisy ihany aza ny fanaovana izany ».
– Tatitry ny Governemanta :
Vita omaly ny anjaran’ny senat
Tsy nihoatra ny 60 andro ny fivorian’ny loholona tapany voalohany tamin’ity taona ity. Nohajain’izy ireo ny voalazan’ny lalampanorenana, ary tsy nisy ny fangatahana fivoriana fanampiny. Fihaonana farany nataon’ny Governemanta sy ny loholona omaly, izay nanaovan’ny mpanatanteraka tatitra teo anivon’ny loholona. Niompana tanteraka tamin’ny asa vitan’ny fanjakana ny nataon’ireto mpikambana ao amin’ny Governemanta ireto. Ny fanontaniana nataon’iretsy loholona kosa ankilany, dia toy ny mahazatra, izay famitana ny asa tokony ho atao any amin’ny faritra misy azy avy. Hatreto aloha, dia fifanomezan-tànana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany no hita, izay heverina fa tsy hisy volo manohariana amin’ny asa tokony ho atao.
– Ivato :
Tsy maintsy miala hatramin’ny zoma ny mponina
Raikitra ny fitadiavana trano honenana eny Ivato. Tsy maintsy miala amin’ny trano honenany avokoa ireo mponina voakasiky ity fanamboaran-dalana ity, satria harodana ny trano honenan’izy ireo. Mahakasika ilay hetsika handraisantsika ny fivoriana antampony ny volana Jolay taona 2009 izao, no anton’io fanamboaran-dàlana io. aty akaikin’ny tranombarotra « Horizon » misy ny tobin’ny zandary no tena voakasik’ity hetsika ity.