Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 19h17
 

Teny zato, kabary arivo

Ifandroritana ny kianja

vendredi 11 avril 2008 |  756 visites  | Naivo kely

Hisy tantara indray ve ny kianjan’ny 13 Mey ? Taorian’ny fitsofan’ny mpanao politika iray ny hitarihany vahoaka etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, dia nipoitra naneho ny heviny ny ankamaroan’ny mpanao politika sy ny olon-tsotra. Aleo hiakatra kianja izay sahy, fa vonona izahay hanohana azy, hoy ny loholona Vaovao Benjamin.

Ny vahoaka sendra ny mpanao gazetinay kosa dia maro no nilaza fa hopetihina indray ve ny firenena ? Aoka ahay haka lesona tamin’izay niseho, fa tsy atao tendrim-po tsy mba namana ny fiainam-pirenena.

Inona no vokatra ratsy sy tsara ho an’ireo izay nitarika vahoaka teo ? Maro no nahazo fahefana tampoka, ary mbola ao anatina andrim-panjakana hatramin’izao. Ny ratsy kosa dia io mbola hiarahana manarina io ny vokatry ny toekarena nandritra ny raharaha 2002. Fanantenana fiovam-piainana ho amin’ny tsara tamin’izany no niandrasana ka naharoboka ny vahoaka maro. tratra ve amin’izao taona 2008 izao izay nantenaina ? Tsy ho gaga ny rehetra raha vao mandre mpanao politika milaza fa hitarika vahoaka eny an-kianja, raha be mpanakiana. Ireo hevitra nivoaka omaly tao ambavan’ny maro no nahitana fa tsy vahaolana mahomby hatreto ny fitaomana olona hiverina etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Ifandroritana ny kianja amin’izao, ary azo antoka fa tsy hamela ny fihantsiana toy iny nambaran’ingahy Lecacheur iny fanjakana fa hiaro hatramin’ny farany io toerana io. Ny kaominina ihany koa hiaro ireo asa vita eo amin’ny toerana io. Ny fahasian’ny mpitarika fihetsiketsehana kosa no tsy fantatra, fa mazana dia fihantsiana no betsaka fa ny fanatontosana ny vava natao no tsy misy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS