Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 09h11
 

Malagasy

Fisolokina

Huissier sandoka tratran’ny zandary

lundi 2 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo

Natolotra ny fampanoavana teny Anosy ny 27 febroary 2009 ny raharaha nampifanolana Ramatoa iray sy rangahy misandoka ho vadintany na “huissier” izay milaza fa manana ny biraony ao akaikin’ny PMU ao Andrefan’Ambohijanahary. Hita teny amin’ny fitsarana teny Anosy ihany koa ny namany roalahy izay mpiray tsikombakomba amin’ity “huissier” sandoka ity, ka nosamborina sy natolotra ny mpitsara mpanao famotorana niaraka taminy. Samy notanana vonjimaika avokoa izy telolahy ireto miandry ny fotoam-pitsarana.

Raha tsiahivina ny raharaha dia sahirana mafy ity Ramatoa ity amin’ny fikarakarana raharaha izay ilàna fanaovana “saisie conservatoire”. Nitady “huissier” izy ka sendra ity rangahy izay lazainy fa mandrirarira azy foana. Leon’ny andraso andraso lava ity Ramatoa ka nitory ary dia nosamborin’ny zandary moa ilay rangahy milaza ho “huissier” ny 24 febroary 2009.

“Cachet” efatra ambin’ny folo

Nandeha ny famotorana ny 25 febroary 2009 ary fantatra tamin’izay fa tsy “Huissier” velively ity rangahy ity. Ny “Compagnie des huissiers” dia nilaza fa efa naato tamin’ny asany ilay anaran’olona (huissier de justice) solokiany io ary hanaovan’ny fitsarana fikarohana manokana amin’izao fotoana izao. Tamin’ny “perquisition” ny trano voalaza fa iasan’ity lehilahy ity dia nahatrarana antontan-taratsy maromaro sy “cachets” miisa 14 tao aminy ; ka ny “cachet” iray amin’ireo dia dika mitovy (copie) amin’ny an’ny mpitandro filaminana, entiny hilazàna fa efa misy taratasy avy any amin’ny mpitandro filaminana ihany koa ao aminy, hanatanterahany ny asany.

2 commentaires

Vos commentaires

  • 2 mars 2009 à 09:45 | Bena (#494)

    Io angamba ilay nentina namaky birao teny Anosy ???

    • 2 mars 2009 à 19:53 | king58 (#342) répond à Bena

      Mety ho marina izany,fa raha tena vrai Huissiers tsy hamaky Ministère izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS