Ho vory lanona ao Fianarantsoa anio ny mpanohitra any an-toerana. Hiaino ny valin’ny fitsarana an’i Simon Cyriaque sy i Jules Roger avy eo anivon’ny « Tambatra » sy ny « Masters » any an-toerana izy ireo.
Fikasana hanongam-panjakana no antony hiampangana azy roa lahy ireto. Mialohan’ny fetin’ny Fahaleovantena teo no nisamborana azy, ka nampidirana avy hatrany any am-ponja rehefa nandalo teo anoloan’ny Fampanoavana ao Fianarantsoa. Mifanohitra amin’io kosa no nambaran’ny mpanao politika any an-tanàna, satria tsy nisy velively izany fikasana hanogam-panjakana izany. Ny mpanohitra nivory matetika tany, izay nikasa ny hanao fihaonamben’ny Tambatra no antony nivoriana. Mifamahofaho be ihany ity raharaha ity, satria ny herinandro teo no tokony hivoaka ny didy navoakan’ny fitsarana, dia io nahemotra anio io. Miandry ny vokany isika, fa ny heno aloha dia hanotrona ity fitsarana anio ity ireo namany rehetra ao Fianarantsoa.