Mahay mitsinjo lavitra. Io no hita fa ezaka ataon’ny fanjakana raha nandre fa ho maimaim-poana manomboka izao ny fanaovana « césarienne » eny amin’ny hopitaly. Ny minisitry ny Fahasalamana no nanambara izany.
Voafetra ho telo ihany ny zaza ateraka raha miroso amin’io « césarienne » io isika. Iarahana mahita fa misy ny olona iray miteraka hatrany amin’ny 9 ny zanany. Raha samy hanao toy izany avokoa ny vahoaka 18 tapitrisa eto Madagasikara, dia mety ho firy ny isantsika afaka 10 taona ? Volabe no lany amin’ny fanaovan ity fandidiana ity, satia mahatratra 700.000 Ar. Izao anefa dia ho maimaim-poana ny fanaovana izany ho an’ny reny bevohoka. Ny minisitra Jean Louis Robinson no nitatitra io teny anoloan’ny depiote tetsy Tsimbazaza, ny alarobia teo.