Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 21 mai 2024
Antananarivo | 00h27
 

Teny zato, kabary arivo

Hisava ny haizina

lundi 21 avril 2008 |  535 visites  | Naivo kely

Vita indray aloha iny ny fifidianana izay ho loholona isaky ny faritra. Nanjaka ny antoko matanjaka, ary ho azo antoka fa hiainga avy amin’io ny ho filohan’io andrim-panjakana io.

Samy nanana ny fomba fijeriny ny fampielezan-kevitra ny maro, izay nisian’ny fanankianana maro momba ny fanibohana ny mpifidy vaventy amin’ny toerana iray, ary vokisana sakafo sy omena tombontsoa isan-karazany, mba ho azo antoka fa tena tsy hisy hivadika amin’ny ora farany.

Midika io fa tsy azo nataon’ireo ben’ny tanàna sy ny mpanolontsaim-paritra ny mitafa amin’ny kandida hafa. Tsy kolikoly izany hoy ny mpitazana hafa fa fomba fiady entina handresena ny mpifaninana. Miandry ny didy hivoaka sisa izany dia ho tafapetraka amin’ny fomba ofisialy amin’ny toerany ny loholona vaovao eto Madagasikara.

Hatreto dia saika ny antoko mpiara-dia amin’ny filoha Ravalomanana no maro an’isa amin’ny sehatra rehetra. Miainga eny anivon’ny kaominina mipaka hatreny amin’ny depiote ary hatrany amin’ny mpanolontsaim-paritra sy ny loholona. Hisava amin’izay ny haizina hoy ny mpitazana, satria efa tsy tazana amin’ny andrim-panjakana intsony ireo mpanohariana nitsivalam-pandry ny asa tokony hatao. mItazana ny fahaiza-miasan’ireo ny vahoaka, ary tsy tokony ho hita intsony ny fialana andraikitra toy ny mahazatra. Ny fanamboarana ny Governemanta sisa andrasana dia efa lasa izao. Sa inona indray no mbola handrasana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS