Andro iray lehibe andrasan’ny mpanara-baovao ny fihaonan’ny Governemanta sy ny depiote rahampitso etsy Tsimbazaza izay hamalian’ireto mpanatanteraka ny fanontaniana maro momba ny fiainam-pirenena eto amintsika. Fanontaniana izay tsy hipasoka ny efa malama ny ankamaroany, fa fifanazavana entina hampilamina ny raharaha kosa izay heverina fa pitik’afo kely dia hampipoaka ny vanja.
Tsy takona afenina fa mandia fotoana sarotra ny firenena, indrindra momba ny fifandraisan’ny fanjakana sy ny fiangonana, ka ny Praiministra izay minisitry ny ati-tany namoaka ny didy fandroahana no mila manazava ny antony nandroahana io mopera io. Hipoitra ary ve ny tena marina, izay hilain’ny maro fanazavana momba iny raharaha iray iny ? Miankina amin’io tokoa araky ny voalazan’ny fikambanamben’ny Eveka farany teo no mety hitohizan’ny fifandraisana eo amin’ny katolika sy ny fanjakana. Inona no heloka vitan’itony mpanompon’Andriamanitra itony ? Ekena fa ho maro ny mety ho fandaniam-potoana ataon’ny mpomba ny fitondrana amin’io rahampitso io, saingy aoka ka tsy ho laniana amin’izany ny fotoana fa hiakinan-javatra maro anie ny fanazavana tahaka izao. Hifantoka tanteraka eny Tsimbazaza ny mason’ny mpanara-baovao, satria hiainga eo ny mety hivahan’ny disadisa eo amin’ny mpiray tanindrazana, indrindra eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny any ivelany.