Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 20h00
 

Teny zato, kabary arivo

Hiofana ho fitaovana ?

samedi 6 octobre 2007 |  663 visites 

Malaza eto amintsika mihitsy ity resaka fiofanana ity, ary samy mahazo ny anjarany avokoa ny rehetra, ka ny sefom-pokontany no tena nalaza tamin’io taorian’ny minisitra izay nalefa tany ivelany taona vitsy lasa izay. Nitady vola ny filohan’ny Repoblika mba hampiofanina ny mpanao gazety tena ho mati hanina hoy izy. Tsara ny fiofanana, fa angaha ny mpanao gazety eto tsy maty hanina ? Raha tsy izany nahoana no nalaina nanao miara-manonja fony mbola tao anatin’ny fotoan-tsarotra ianareo, ka tsy nanavahana ny haino aman-jery na ny mpanao gazety tamin’ny 2002 ? Ofano izahay, saingy aoka tsy atao fitaovana toy ny sefom-pokontany natao ho fitaovana hampandany kandidam-panjakana, hamoritra vahoaka, fa tena hitondra ny feom-bahoaka marina. Sa tsy maintsy mila tambiny ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS