Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Antsiranana

Hilahatra ireo ray aman-drenin’ireo zaza naniha

vendredi 25 avril 2008 | Naivo kely |  468 visites 

« Fanimbana ny taranakay izao fandefasana azy ireo any an-drenivohitra izao ». Izay feo izay no heno niverimberina tamin’ireo ray aman-dreny manana ny zanaka naniha nalefa aty Antananarivo, ka migadra etsy Antanimora sy eny Anjanamasina.

« Tsy fantatra intsony izay mety hiafaran’ny taranakay, indrindra eo amin’ny fahasalamany sy ny sakafo ho haniny. Nahoana no tsy aty amin’ny faritra nihaviany no hitazomana azy fa any amin’ny tany lavitra anay fianakaviany any ? » Noho ireo dia hidina an-dalam-be anio ireto ray aman-drenin’ny ankizy voasambotra tany Antsiranana ireto izay hitakiana ny hamerenana ireo zaza ireo any amin’ny toerana nihaviany.
Miaiky kosa izy ireo fa meloka, saingy aoka mba toerana manakaiky ny fianakaviany no hitazomana azy mba ahafahana manara-maso ny fahasalamany, hoy ihany izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}