Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 13h12
 

Malagasy

Lapan’ny tanàna

Hijanona ho faritra mena

lundi 19 mai 2008 |  1024 visites  | Penjy R.
Nahafaly ny rehetra no nandre fa faritra mena io faritra io.

Faly ny maro fa harenina ny lapan’ny tanàna. Roa taona dia ho vita ny asa, ary nisy ny famatsiam-bola avy amin’ny filoha Ravalomanana. Vonona ny tenako handray ny andraikitra amin’ny fanarenana hoy ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina, ary fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola no ahavita izao asa izao.

Ny asa no hanomboka, fa ny tantara ara-politika kosa hanao ahoana ? Maro ny mpanao politika no nanambara fa tokony hipetraka ho faritra mena io toerana io mba ho fiarovana ny asa izay hatomboka eo. Raha mbola hanjakan’ny hetsi-bahoaka ny eny an-toerana dia ahiana ho tsy ho voatana indray ny fihetsem-po ho an’ny vahoaka ka mety hanimba izay asa tafajoro eo. Hanana ny endriny indray ny renivohitra raha vao vita ity lapan’ny tanàna ity, ka izay no ilàna fitandremana amin’ny asa goavana tahaka izao.

Na ireo mpanao politika avy ao amin’ny fanoherana aza dia naniry ny hijerena toeran-kafa hanaovana fihetsehana, satria tsy mora ny manarina ny fahavoazana toy izao, raha misy ny trangan-javatra tahaka izay niseho 36 taona lasa izay. Raha vita ity asa ity, dia folo taona tato afara no nahitana asa goavana teto andrenivohitra. Isan’io ireo làlana migodana vita manodidina an’i Iarivo. Ny tsena etsy Anosibe, ary ireo làlana isaky ny elakelan-trano.
Ny mpitondra tsy mametraka asa mivaingana no maha-farahidy indrindra ny mponina, ary tsara ny fifaninanana masina toy izao mba ho lovan’ny taranaka any afara.

Ny fikojana ireny zava-bita ireny, dia ilàna fandraisana andraikitra goavana, mba tsy ho herim-po very maina ny antsika mianakavy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS