Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 21 mai 2024
Antananarivo | 00h27
 

Teny zato, kabary arivo

Hifoteran’ny rambony

mardi 24 juillet 2007 |  193 visites  | Naivo kely

Samia tokoa mijinja izay nafafy, rehefa mamafy tadio. Tsy nisy nitsiry izay nantenain-kanirina ka zary hidona amin’ny vody hazo tsy fidiny. Raha atao indray mijery ireto mpiara-mitolona ao amin’ny TIM, izay noheverina fa tokin’ny mpirahala mita ala, saingy tsy tonga amin’ny fotoana hinanana ny anamamy ka nosarahan’ny beroberoka ry zalahy. Mizara roa tanteraka ny antoko matanjaka izay eo amin’ny fitondrana dia ny TIM izany sy ireo ondry noheverina fa nania, ka ny sasany nanao ilay fanangonan-tsonia nangataka ny hanaovana fivoriana tsy ara-potoana eny Tsimbazaza, saingy na voalaza aza fa nahatratra 80 io dia nitsefotra satria tonga ny ora firavan’ny andrim-panjakana mpanao lalàna. Atao tsy ho ela ihany koa ny kongresin’ny TIM tarihan’ny filohany, ka azo antoka fa tsy ahazo fanasana hanatrika io, ireto atao hoe CRT ireto. Ny fifidianana anefa ity ho avy koa mino isika fa tsy maintsy hirotsaka amin’ny tsy miankina ireo na hiara-dia amin’ny mpanohitra, saingy hanaiky izany ve ny mpanohitra ? Voatery hianto-tena amin’ny bileta sy ny afisy ary ny fampielezan-kevitra ireto mpanohana mafana fo ny filoham-pirenena nefa voahilika tampoka ireto, ka tsy izay ve no ilazana fa nifoteran’ny rambony ry mahery fo isany ? Aza manody ny tahaka izao, fa azo antoka ny ahararaka ny 90% amin’ireo depiote handao ny toerany ireto, ka ho olom-baovao indray no ho hita taratra etsy Tsimbazaza afaka roa volana mahery kely.

Sa diso ny tombatombana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS