Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Tafika Malagasy

Hetsiky ny manamboninahitra lefitra

mercredi 6 août 2008 |  733 visites 
Ireo manamboninahitra lefitra teo am-piagaina

Hazakaza niainga avy eo amin’ny kianjan’i Betongolo, nihazo ny toby miaramila RM1 Analakely, ny asabotsy teo, no nentin’ireo manamboninahitra lefitry ny tafika malagasy, eto amin’ny faritany miaramila voalohany, nanomboka ny hetsika ara-panantanjahantena, izay hanamafisana ny firaisan-kina sy firahalahina eo amin’ny samy manamboninahitra lefitra. Izao hetsika izao dia nomena ny lohahevitra hoe : « Mampita fanilo », ny antony dia handao tsy ho ela ny fitantanana ny COSOFAM (Corps des Sous-Officiers de l’Armée Malagasy) ny Birao mpitantana ankehitriny noho ny toerana hifandimbiasana, ka miezaka mampita ny traikefany sy n fahaizany amin’ireo zandry handimby.

Taranja roa no hifaninanana mandritra ity hetsika ity, dia ny basket ball sy ny pétanque. Ekipa valo no handray anjara amin’ny taranja basket, izay ahitana ekipa sivily vitsivitsy toy ny ekipan’ny BOA, ny ekipan’ny Minisiteran’ny fitantanam-bola, ny ekipan-dRamala, ny ekipan’ny manamboninahitra lefitra isaky ny faritra misy azy avy. Ny famaranana moa dia atao ao amin’ny Gymnase Mahamasina ny 18 octobra 2008, ary ny fanolorana ny amboara hoan’izay mendrika izany dia ny 25 oktobra 2008, ao amin’ny alin’ny manamboninahitra lefitra izay, atao ao amin’ny Cemes Soanierana.
Nanokatra ny lalao teo amin’ny taranja basket ny asabotsy teo ny ekipa voafantin’ny manamboninahitra lefitra ato amin’ny faritany miaramila voalohany sy ny ekipan’ny BOA, lalao izay natao tao amin’ny toby miaramila RM1 Analakely. Nandresy tamin’ny isa 42 no 37 moa ny ekipa voafantin’ny manamboninahitra lefitra tao aorian’ny fanalavam-potoana. Marihina fa isaky ny asabotsy no anaovana ny lalao fifanitsanana ka ao amin’ny toby RM1 Analakely no hanaovana izany.

Tonga nanotrina sy na nome voninahitra izao hetsika izao ny Jeneraly Rakotondrabevala Marcel, sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena, ny Kolonely Rabehasimanitra Jean Louis, Komandin’ny faritany miaramila voalohany.

Nangonin’i Manjakahery Tsiresena

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}