Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 20h38
 

Teny zato, kabary arivo

Henjana ny sazy, anatra ho an’ny hafa ?

mercredi 21 mai 2008 |  703 visites  | Naivo kely

Hampiakatra fitsarana ambony ny mpiaro ny jeneraly Fidy, sy ingahy Pety Rakotoniaina, ary ireo manamboninahitra voarohirohy niaraka tamin’izy ireo. Sazy tsy misy latsaky ny folo taona avokoa no
nomen’ny fitsarana azy ireo. Tsy dia asiana resaka be firy intsony angamba ny momba ilay fikasana hanogam-panjakana saika hatao ny 17 novambra 2006 teo.

Tao ho ao dia nandeha ny feo momba ireo manamboninahitra nalaina am-bavany teny Fiadanana izay mahakasika fanonganam-panjakana ihany. Tsy mbola fantatra mazava ny tohin’ireny raharaha ireny, fa ny azo adika aloha hatreto, dia henjana ny sazy ary hanatra natao ho an’ny hafa ve ireny didy ireny ? Na ho inona tokoa fanazavana entin’ireo mpiaro ny voampanga dia famaizana henjana hatrany no mianjady amin’izany fikasana hanongam-panjakana izany. Samy hafa tokoa ny fikasan’ny tafika hanao izany, sy ny fidinana an-dàlambe toy ny etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Any amin’ny fitsarana ambony indray izany no hitodian’ny mason’ny rehetra. Mbola hisy fanantenana ve ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS