Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 04h01
 

Tribune libre

Hatraiza ny Fetra

lundi 2 février 2009

Variana dia variana ny tenanay raha nanaraka ny zava-misy eto Madagasikara, ka nahatonga anay nanoratra. Tsy mbola ampy antsika Malagasy ve ny fahantrana mianjady, sa kosa tsy avela raha tsy ho toy ny any Haïti ,na any Zimbabwe ity Nosintsika ity vao avela.

Ekena fa raha noana ny vatana, mivezivezy ny fanahy kanefa dia izany ve no hanapotehana firenena. Dia mbola hatao indray ve ny hampandositra ireo mpanambola efa mampiasa Malagasy.

Tsy mandà ny tenanay raha mitaky ny demokrasia ny vahoaka Malagasy, saingy tsy amin’ny fomba mamoa-fady akory no hahazahoana izany. Saingy ny manintona ny sainay dia ny fanararaotana be vava nataon’ny sasany. Ary nahatonga ireo firenena vahiny nilaza hoe : hay ve mbola tsy miova ny toe-tsaina Malagasy !

Amin’ny tany mandroso rehetra dia misy ny demokrasia, ary raha te-handroso i Madagasikara dia tsy maintsy miditra amin’izany ; fa amin’ny fomba feno fahendrena sy feno fahamendrehana.

Manarak’izay, raha tsy mamy hoditra amin’i Malagasy aza ny filoha, misy foana anie ny fifidianana ary ny toerana ifandimbiasana. Tsy mifidy azy fotsiny amin’ny manaraka.
Ary ho an’ireo zay manaraka ny ben’ny tanànan’Antananarivo. Mba efa fantatrareo tsara ve io olona io sa kosa fitiavam-bao satria hoy ny razana « izay mamiratra ,tsy volamena avokoa ». Ny anongotsongoana ny maty, ny tsy handevenam-belona, tompoko ; mety ho olona tsara io, ny mifanohitra amin’izay anefa mety hitranga ; koa tandremo sao manenina Ramalagasy mpiray tanindrazana !

Trafon-kena ome-mahery ny anay, am-bava homana, am-po mieritreritra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS