« Ny fanahy no maha-olona », zava-dehibe loatra teo amin’ireo razantsika ny fikolokoloana ny fanahy. Nomeny toerana lehibe ny fanabeazana ny fanahy tamin’ireo endri-panabeazana natolony ny taranany sy ny fiaraha-monina niainana. « Tain’omby mivadika aza misy tompony », « Tsy ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha », porofom-pahendrena sy maneho ny maha lehibe ny aim-panahy teo amin’ny Ntaolo ireo fomba fitenenana. Izay mbola voarakitry ny fomba amam-pahendrena Malagasy. Mandroso sy mirotoroto ankehitriny ny toe-karena Japoney, tsy noho ny inona izany fa vokatry ny fanasongadinana sy fanabeazam-boho ireo kolon-tsaina Japoney nifandovana taranaka maro.
Harena lehibe eo amin’ny fivoaran’ny fiaraha-monin’ny zanak’olombelona loatra ny fanabeazam-panahy. Alaim-panahy ny tena mijery ny zava-misy ankehitriny, fa toa maro no minia, manambany azy io.
Noravana ny toeram-pialamboly CCL tetsy Antanimena, fa manimba ny tanora, indrindra ireo mpianatra amin’ireo sekoly manodidina. Noravana ny Eglise Universelle « Mon ami », fa nanivaiva sy nandoro « ilay boky nodorana, nefa tsy levona ». Fa manahirana ny saina dia ity ilay toeram-pivavahana teo aloha ity no indro lasa toeram-pandihizana. Moa tsy ho vaka ve ny saina ? Ka hiloa-bava hoe : Harena sa « Arena » ?