Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 21h05
 

Malagasy

Andraisoro • Ady amin’ny herisetra

Hanao jobily ny « Tambohobe »

vendredi 16 janvier 2009 | Manou

Fokontany isan’ireo natahorana nohon’ny herisetra efa nahazo faka tao amin’ny fiaraha-monina nisy teny ny tao Andraisoro, ao amin’ny faritry ny boriborintany faha-5 ao Antananarivo-Renivohitra hatramin’izay.
Antony nivondronan’ireo tanora tao an-toerana izay toe-javatra izay taty aoriana, hamongorana ny tarazo ratsy nisy. Tafajoro ara-panjakana ary ny fikambanana « Tambohobe » notarihin’i Rabenjamina William tany amin’ny taona 2001 tany ho any, ary nametraka ho tarigetra io ady atao amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy sy vehivavy io. Fampitan-kevitra an-kolaka no paikady niaingana tany am-boalohany, araky ny fanazavan’ny mpikambana, hisintonana ny olona kendrena handray azy.

Jobily faha-5 taona

Notsorin’ny filoha Rabenjamina William, vato nasondrotry ny tany eo Andraisoro ary fantatry ny rehetra amin’ny fanafohezana anarana Willy kosa fa tsy mbola tena nisongadina ny asan’ny fikambanana Tambohobe raha tsy ny taona 2004 ka io no tsingerintaona homarihiny amin’ity taona ity. Hetsika maro no egfa voavinavina mandritry ny taona manontolo ary haroso hotapahan’ny fivoriambe hatao ato ho ato.

Efa nisy andiany dimy rahateo ny fifaninanana ara-panatanjahantena narahina kolontsaina notontosain’ny Tmbohobe teny Andraisoro teny hatramin’izay ary kendrena hiavaka ny andiany faha-6 hiditra izao noho izy hifanindry amin’ny jobily faha-5 taona.

Tsy nihanina tamin’ny ady amin’ny herisetra fotsiny ny sehatr’asa nosahanin’ny mpikambana tao amin’ny Tambohobe taty aoriana, hoy izy ireo, fa nitarina tany amin’ny ady amin’ny fidorohana zavamahadomelina sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana, ist/sida, mba hifanentana min’ny zavamisy.
Vonona amin’ny fiatrehana ny taona 2009 ny mpikambana ao amin’ny Tambohobe ary nifanafatrafatra ny amin’ny hanatsarana ny paikady vaovao hiasana manomboka eto, nandritry ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona nifanaovany tao amin’ny efitranon’ny sekolim-panjakana tao Andraisoro, vao andro vitsy monja izay.

Nampahafantarin’ny birao nandritra io fotoana io fa tsar any vokatry ny ezaka natao hatramin’izay satria nahafahana nanatsara ny fiaraha-monina tamin’ny fanovana toe-tsaina. « Tsy faritra mena intsony ny fokontany Andraisoro ankehitriny », hoy izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS