Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Herizo Razafimahaleo

Hambara malemy ny mpanohitra nefa atahorana

lundi 28 avril 2008 | Naivo kely |  870 visites 

« Fanjakan’olon-tokana no hita eto, ary tsy azo lavina izany. Porofo mitohoka amin’ny rehetra ny faniliana ireo mpiara-miasa amin’ny filoha rehetra izay akaiky azy indrindra. Voatonona tao ny anaran’ingahy Didier Rakotoarisoa, ny mpiambina azy noroahina haingana hiala teto Madagasikara, ny Praiministra lefitra Zazah Ramandimbiarisoa, David Rajaona izay any am-ponja ankehitriny sns.... » Tao amin’ny fahitalavitra TV Plus ny zoma alina teo no nilazan’ingahy Herizo Razafimahaleo izany.

« Hambara ho malemy ny mpanohitra, ary nilaza io ny tompon’andraikitra Amerikana iray eto. Omeo sehatra na dia indray mandeha isam-bolana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana izahay ahitana na malemy araka ny voalaza tokoa na tsia. Tsy mahalala ny tena zava-misy marina ny vahoaka ka izay no ilana ny fanazavana. Isan’io ny fahamarinana sy ny fahamasinana nambara tamin’izany. Ny resaka 3P, izay olon-tokana no manana fahefana feno eto ». Noraisiny ohatra ny vidin’ny solika sy ny vidim-piainana ankehitriny sy tamin’ny vao nandraisan’ny filoha Ravalomanana ny fahefana. 6 taona ato afara monja dia hatraiza ny fidangan’io vidim-piainana io ? Ny tontolon’ny fifidianana, izay hita fa hanjakan’ny hosoka, kanefa hambara fa fifidianana demokratika no eto. Ny vondron’ny SADC izay tsy mahita ny tena fizotry ny fifidianana no ambara fa afa-po ny mpanara-masony nandritra ny latsa-bato natao teto. Nasian’ingahy Herizo Razafimahaleo resaka ny momban’ny fifidianana izay ho loholona farany teo. « Taiza eran-tany no misy mpifidy vaventy teren’ny lehiben’ny faritra sy ny ministra hitondra ny biletany any amin’izy ireo rehefa vita ny latsa-bato ataony ? Nahoana no tsy avela hifanerasera amin’ny kandida hafa ny mpifidy vaventy ? Izany ve no tany mandala demokrasia. Natao ihany no tsy hiteny saingy raha tsy miteny dia toa manaiky izao tsy fahombiazana izao », hoy ity filohan’ny Leader Fanilo ity.

Raha fehezina iny fandaharana tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray iny, dia miaina ao anatin’ny fahapotehina ny toe-karena Malagasy, ka tsy mahagaga raha maro no mirona amin’ny fitakiana fiovana ho an’ny ity fitondrana ity. Tsy hiditra amin’ny mety ho fisokafana ataon’ny fanjakana ihany koa ny mpanohitra, hoy izy, satria ny namany akaiky aza noroahiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}