Lasa resabe any ivelany ankehitriny ny momba ilay zazavavy 11 taona niditra an-tsokosoko tao anaty fiaramanidina hiondrana tany ivelany. Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ve dia mbola ahitana toe-javatra tahaka izao ? Ny gazety iray atsy La Réunion « JIR » dia nilaza fa atao inona ireo fisavana maro be, izay manomboka eo am-pidirana, ka hatrany anaty fiaramanidina ? Tokony hipetraka foana, hoy ity gazety ity, ny ahiahy amin’ny mpandeha rehetra. Tao anatin’ny vanim-potoana nifanesy izay, dia nahitana trangan-javatra hafahafa teto amintsika. Teo no nahitana ireo teratany vahiny maro izay saika hanondrana ireo sokatra sy biby arovana maro tany ivelany. Soa fa tratra ireny, ary isika tsy hilaza izay efa tafavoaka an-tsokosoko tany. Teo ihany koa ilay vato goavana tafavoaka teto ka natao fampiratiana tatsy amin’ny nosy rahavavy. Nifamahofaho ny momba iny raharaha iny, saingy efa eny ampelantanan’olona hafa izy io, vao nambara fa handefasana manampahaizana manokana handinika ny kalitaon’io vato io. Aiza ny fanaraha-maso ireny harenantsika ireny ? Matoa tafavoaka ireny harena ireny, dia misy ny tandrevaka. Ireo rehetra ireo, dia hitarafan’ny any ivelany fa misy goragora eo amin’ny fiarovana izay atao, ka mila fitandremana goavana. Indrindra moa fa toy ity zazavavy kely nitsofoka tany anaty fiaramanidina ity. Raha sanatria ka mpanao vy very ny ainy moa no toy izao, inona no nitranga ?
Goragora
samedi 16 février 2008 |
| 719 visites