Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 17h36
 

Malagasy

Fiadidian’ny praiminisitra

Fihaonana an-tampony eto Madagasikara

vendredi 19 septembre 2008 | Volana R. |  734 visites 

Ho avy tsy ho ela eto Madagsikara ny iraka libianina eo amin’ny sehatra ara-toekarena hijery sy hifampidinika ny amin’ny mety ho fifanarahana vaovao eo amin’ny firenena roa tonta ; fifanarahana izay efa niantomboka tamin’ny 5 aogositra 1975. Nandritra ny fihaonan’ny praiminisitra Rabemananjara Charles sy ny mavoihon’i Lybie eto Madagasikara, SEM Yones B. Ali, dia aorian’io iraka io no hahalalana ny anjara biriky hatolotr’i Lybie ho fanomanana ilay fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina, tanterahana eto amintsika amin’ny herintaona.

Ny lafiny teknika mikasika ny filatsahan’i Madagasikara hampiantrano ny fihaonana an-tampon’ny « francophonie » andiany faha-13 kosa, amin’ny taona 2010, no nifampidihan’ny praiminisitra sy ny delegasiona OIF notarihan’i mpanolotsaina Ousmane Paye. Nijery ny fahafahan’i Madagasikara mandray io fihaonana io no anton’ny dinika, satria ny fihaonana an-tampony hatao any Québec, ny volana oktobra 2008, no hahafantarana ny fanapahankevitra farany mikasika izany.