Gina indray ny maro raha nahita fa tsy isan’ny ho kandida natolotry ny antoko TIM teto andrenivohitra ilay ranamana mpikarakara tanora sady mitantana radio iray eto andrenivohitra. Fa nisy inona tao, hoy ny mpitazana ? Tsy hidirana lalina ny amin’io satria fomba eo amin’ny tontolo politika ny tahaka izao. Porofo iray mitohoka amin’ny rehetra, fa tsy mora ho an’ny antoko matanjaka eto amintsika intsony ny mijery olona mahatoky atolotr’izy ireo. Porofo tsy azo lavina ny mahita ny fiovam-penitra isaky ny fifidianana toa izao. Ny olona ve moa tsy ho hisy, fa iza kosa no mahatoky sy be vola afaka mamaly ny filan’ny manodidina rehefa ao anaty fampielezan-kevitra ka tena hita fa manjaka.
Mazàna na dia mamim-bahoaka ao amin’ny faritra iray aza ilay olona, ary nitana ny foto-kevitry ny antoko nisy azy, dia tsy mba ho isan’ny ao anaty lisitra ny olona sahirana. Koa ho diso ve izy ireo raha lasa misitaka manangana fikambanana hafa ? Feno fitaka ny tany o ?