Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 14h19
 

Malagasy

Fangalarana Taroby

vendredi 20 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo

Voasambotry ny zandary avy etsy amin’ny Brigade Tana ville Betongolo nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo ny alarobia 18 marsa 2009 tamin’ny 03 ora maraina ny olon-dratsy roalahy mpangalatra taroby mitondra herinaratra an’ny orinasa JIRAMA Soanierana.

Mirefy 100 metatra io taroby nalain’izy ireo io, izay milanja 39 kg . Tao amin’ny trano fitoeran’entana (dépôt) an’ny orinasa ihany no nangalarana izany. Ny iray amin’ireo olon-dratsy dia mpiasa « standardiste » ao amin’ny JIRAMA ihany, ny iray kosa dia namany no sady mpivarotra ny entana halatra.

Nokasaina hamidy any Ambatolampy ireto taroby mitondra herinaratra ireto ary teo am-piandrasana fiara hitondra ny entana izy ireo izao tra-tehaky ny zandary nanao fisafoana izao. Efa manao famotorana akaiky mikasika ity raharaha ity ny zandary ary ho atolotra ny fampanoavana rahampitso izy roalahy.

1 commentaire

Vos commentaires

  • 20 mars 2009 à 07:22 | ton ami (#480)

    Aza samborina ranga izy a !

    Raha samy ho samborina ihany de le mpandroba t@ 26 janvier reny aloh samborina ho hitan’y vahoaka oe iza marina le tena naniraka azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS