Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 22 décembre 2024
Antananarivo | 14h07
 

Tsakotsako

Fandraharahana mampieritreritra

lundi 1er décembre 2008 |  1977 visites  | RAW

« Rehefa miova ny lalàna dia tsy maninona fa raha ireo lalàna manankery mandraka ankehitriny eo amin’ny lafiny fandraharahana sy varotra aloha dia tsy ahafahana manakana ny asa aman-draharahanay. Mpanamboatra menaka ny asanay ary efa hatrizay ampolo-taonany maro no nanaovanay io asa famokarana io. Ankehitriny dia tsy afaka manao izany intsony izahay satria nampahafantarina an-kolaka ireo mpamatsy voanjo anay fa tsy mila mamatsy anay mpanodina ny voanjo ho menaka intsony izy ireo. Ankoatra ny mpanjifa ny menaka vita tanana (presy gasy), dia sadaikatra sy sahirana koa ny mapamatsy voanjo anay. Izahay mpanao menaka izay miparitaka any Betafo, Antsirabe, Sambaina moa dia very asa  ».

Ireo no taraina sy fanakianan’ny solotenan’ny mpamokatra menaka ny fomba sy fanenjehana ary angamba horohoro mihatra amin’ireo mpamokatra malagasy vory tao Andrefan’Ambohijanahary tamin’ny herinandro lasa iny. Teny Iavoloha anefa, ny filoha Ravalomanana dia tsy nitsahatra nanentana sy nanamafy fa ilaina ny firoboroboan’ny orinasa madinika sy salantsalany. Ary vonona izy sy ny fitondrapanjakana hanao izay hery rehetra hahamaro azy ireny. Ny mpandraharaha tanora moa dia nosinganiny manokana satria fantany izay tadiavin’izy ireo. Asa izay fihetsempony sy fahitany ireo mpandraharaha efa ela nihetezana toa an-dry André Ramaroson, ry Jeannot Le Quartz ary ry-E. Razafindravahy. Raha ho an’ny olon-tsotra aloha dia toa sahirana be ihany ny mpandraharaha malagasy ankoatra ny « groupe TIKO  ». Ny fantatra aloha dia nirehareha ny filoha Ravalomanana fa nisy vokany tsara ny fananganany ny orinasa Fanampy ao Vohidiala (Ambatondrazaka). Tsy sahirana intsony ny mpamboly vary any amin’iny faritra iny satria misy an’i « Fanampy  » manangona ny vokatra sy afaka mitahiry izany ara-dalàna ary mandio azy amin’ny fomba maoderina. Ny soratra an-gazety tamin’izany fotoana izany moa dia mampahatsiahy fa fitarainana maro no heno avy amin’iny faritra iny raha mikasika ny fanangonana tany avy amina orinasa lehibe iray vao nitsangana. Ankehitriny ny fampahalalam-baovao fehezin’ny fanjakana dia mihezaka mafy manamarina fa efa mihena ny vidim-bary eny an-tsena. Nandeha ny fanadihadina teny amin’ny tsenan’Anosibe ary namoaka fa nisy fihenana telopolo ariary (30Ar) ny vidim-bary amin’ny ankapobeny. Naseho daholo ny tetika rehetra nampiasana mba hahatongavana amin’ny fitomboan’ny voka-bary miteraka izany fihenam-bidin’ny vary izany. Tao ny fanitarana ny velaran’ny tanimbary atao voly avotra. Tao koa ny fanamboarana ny tambazotran’ny rano, ny fampiasana ny ambioka voafantina sy arifomba ary ny fampiasana ny voly vary maro anaka. Betsaka ny resaka nataon’ny filohampirenena momba ny fambolena sy ny mpamboly.

Manentana izy, mamporisika ary mino fa rahampitso dia hanondrana vary manerana an’i Afrika isika. Rehefa avy naato ny fanondranana vary sy tsako, dia manomboka izao dia misokatra indray ny fanondranana vary sy tsako.