Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 23h52
 

Tribune libre

Fanambarana avy amin’ny Radio sy TV VIVA

lundi 15 décembre 2008

VIVA TV/Radio FM 98.8
Antananarivo, 14 desambra 2008.

Ny VIVA hatramin’izay nisiany, herintaona izao, dia niezaka hatrany tamin’ny fanomezana fahafaham-po ny mpihaino sy ny mpijery ary ny mpanjifa teo amin’ny sehatra fiaraha-miasa, na amina dokam-barotra (Publicité) sns...Ka n’inon’inona natao. Na teo amin’ny fampahalalam-baovao, na tamin’ny fandaharana novokarina dia natao izay hanolorana zavatra tsara ny mpanjifa, nametrahana ho ambony ny kolon-tsaina Malagasy ka nanomezana izay noheverina fa tsara tamin’ny sokajin-taona rehetra, ifantohan’ny filamatra hatrany manao hoe : « Le Feeling de toutes les générations ». Dia mirona amin’io ny foto-kevitra rehetra eo amin’ny fanabeazana na fampahalalàna amin’ny olom-pirenena ny zava-misy marina, tsy ny eto an-tanindrazana ihany fa izay vaovao lehibe misongadina miseho any ivelany ihany koa...
Kanefa dia izao mijanona tsy afa-manohy izay tanjona hanome fahafaham-po ny mpijery izay ny VIVA noho ny fanapaha-kevitry ny ministry ny Paositra sy ny Fifandraisana ary ny Fifandraisan-davitra, nanao sonia ny taratasy voaray ny alin’ny 13 desambra 2008 hanajanonana ny TV, rehefa nandefa ilay fanehoan-kevitra fanazavàna ny zava-misy araka ny fahalalan’ny Amiraly Didier Ratsiraka, filoham-pirenena teo aloha, ny toe-draharaha misy eto amin’ny Firenena sy izay mahakasika an’ity Nosy ity. Marihana fa maro tamin’ireo gazety mpiseho isan’andro no namoaka izany koa, andro vitsy talohan’ny nandefasan’ny VIVA izany ny sabotsy alina. Efa nisy televiziona sy radio ihany koa efa namoaka ny ampahany tamin’izany resadresaka nataon’ny Amiraly Didier Ratsiraka izany.

Dia mampametra-panontaniana ny VIVA amin’izao izy tonga tamin’ny fanakatonana ny Antenne tsy hahafahan’ny Televiziona manohy ny asany izao.

Ny VIVA dia maneho etoana ny fisaorana lehibe anareo rehetra mpijery sy mpihaino azy. Ary mbola mampanantena ny hanome ny kanto sy tsara hatrany ho antsika rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS