Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 décembre 2021
Antananarivo | 07h22
 

Tribune libre

Fanambarana avy amin’ny Fikambanana ACCES ZON’OLOMBELONA

mercredi 4 novembre 2009

- Manoloana ny fizotry ny toe-draharaha eto amin’ny firenena,
- Manoloana ny adidy masina neken’ny ACCES « ZON’OLOMBELONA » amin’ny maha-fikambanana mpiaro ny zon’olombelona sy amin’ny maha-fiaraha-monim-pirenena azy
- Manoloana ireo andraikitra efa noraisiny sy izay heveriny fa tokony mbola ho raisina amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ireo vondrona firaisam-pirenena samihafa,

NY ACCES « ZON’OLOMBELONA » DIA MAHATSIARO MANANA ANDRAIKITRA KA MANAO IZAO FANAMBARANA MANARAKA IZAO :

- ampahatsiahivina fa ny sasi-teny fampidirana ao amin’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona, izay neken’i Madagasikara, dia mivaky toy izao ao amin’ny andalan-teny faha telo : « …Heverina fa ilaina ny miaro ny zon’olombelona amin’ny fametrahana rafitra tan-dalàna mba tsy hitarika azy hikomy ary hanohitra ny fampihorohoroana sy ny fampijaliana… »

Tsorina anefa, araka ny fehi-kevitra niraisan’ireo mpikambana ato amin’ny ACCES ZON’OLOMBELONA, fa hita maso ny tsy fanajàna ny zon’olombelona na niniana izany na tsia, raha tsy hanao fampitahana afatsy amin’ny alalan’io andininy notanisaina etsy ambony io isika.

Marina fa « ny rano raraka tsy azo raofina » araka ny ohabolan-dRazantsika, nefa kosa, raha tsy misy ny fivoaran’ny toe-draharaha, indrindra ny fivahan’ny krizy ara-politika dia vao maika hihanjahanja tanteraka ny tsy finiavana hanaja ny farafahakeliny akory amin’izay zo tokony ho an’ny vahoaka tsy mandady harona. Olompirenena iza no hahazaka ny antso tody sy ny latsa mety haterak’izany raha mbola malagasy koa ? heverin’ny ACCES « ZON’OLOMBELONA » fa tsy misy afaka hiala amin’izany andraikitra izany izay rehatra mahatsiaro ho tia ny tanindrazana.

- etsy andanin’izany dia tsy hain’ny ACCES ZON’OLOMBELONA ny tsy haneho fankasitrahana ho an’ireo ankolafy efatra, ny amin’ny dingana efa vita ary indrindra ny amin’ny fanekena hidinika indray. Izany dia raisinay ho mariky ny fitsinjovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena ary koa ny fandalàna ny hevitra maro lafy (pluralisme d’idée) izay aseho amin’ny alalan’ny fanomezana lanja ny hevitry ny hafa.

Tianay àry ny mamporisika ireo ankolafy efatra mba hanaporofo araka izay tratra ny fikatsahana vokatra azo tsapain-tanana aorian’ny fifampidinihina izay hatao manaraka. Irinay ny mba hahatonga io fotoana io ho dingana farany amin’ny famahana ny krizy ara-pôlotika mampijaly ny firenentsika.
Rahefa izany, ny dingana hafa manaraka dia tokony ho efa atokana indrindra ho ireo fifanakalozan-kevitra samihafa mba : haha-mari-pototra ny fifidianana, hanarenana ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toe-karena, handaminana ny fiainana ara-pôlitika sy ara-pitantam-pirenena…sns. Ireo rehetra ireo, izay hany fomba azo antoka hampanajàna ny zon’olombelona sy ny demôkrasia, foto-kevitra izay lalain’ny ACCES ZON’OLOMBELONA fatratra.

- farany, dia tianay ny manantitrantitra fa ny andraikitry ny fiarahamonim-pirenena dia mifototra indrindra amin’ny asa fanelanelanana, ny fanomezana tolo-kevitra ary ny fanaovana antso fanairana raha ilaina izany. Ireo asa manokana ireo, sy izay andraikitra hafa mifandraika amin’izany dia atao ao anatin’ny lalan-tsaina tsy misy fironana na fiandaniana, ary mikendry izay hikatsahana ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka irery ihany.

Araka izany àry, dia deraina etoana ireo dingana samihafa efa notanterahantsika firaisamonim-pirenena tsy ankanavaka. Singanina amin’izany, ohatra, ny ezaka fanelanelanana izay atao iarahana amin’ny Alliance des Organisations de la société Civile, ary mbola anentanana ny vondrona hafa ny ny fanaovana hetsika toy izany satria « ny tao-trano tsy efan’ny irery ».

Manoloana ny fiazakazaky raharaha anefa, sy ny loza ara-tsosialy sy ara-toekarena mitatao amin’ny firenentsika, ary koa manoloana ny fahasamihafan-kevitra ny amin’ny endrim-pandraisana anjara samihafa, dia manainga antsika vondrona fiarahamonim-pirenena tsy ankanavaka mba hifampidinika maika. Irariana mba ho tonga laharam-pahamehana amin’izay ho tohin’ny hetsika hataontsika izany.

Araka izay tratra, io fifampidinihana voalaza io dia tokony hamela antsika :

ho afaka hifanakalo hevitra sy hifandresy lahatra ny amin’izay fomba fijery samihafa. Ny fahasamihafan-kevitra dia heverina fa ara-dalàna loatra amin’ny soatoavina demokratika. Raha ny marina, dia ireny fahasamihafana ireny no tokony ho vao maika hampanankarena ny adihevitra ary hanamaro isa ny soso-kevitra.

Handinika haingana arak’izay azo atao, amin’ny saina tony sy amin’ny fitiavan-tanindrazana ireo paik’ady sy fepetra samihafa hampiarana ny satan’i Maputo, izay heverina fa mbola hany lalan-tokana hita ho famahana ny olana mampijaly ny firenena. Heverin’ny ACCES ZON’OLOMBELONA fa ho famahàna ny krizy dia rariny raha hasongadina ny maha-fiarahamonim-pirenena antsika amin’ny alalan’ny fananana lalan-kevitra matotra sy voavolavolan’ny teny ieràna sy ifampitondràna ary ifampifehezana, hialàna amin’izay mety ho fandrika hanaratsy endrika ireo fandavan-tena nimatimatesan-tsika.

Natao teto Antananarivo, androany 29 oktobra 2009
Ny Birao foibe ACCES « ZON’OLOMBELONA »

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives