Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 15h56
 

Teny zato, kabary arivo

Fanadiovam-bola

mercredi 5 décembre 2007 |  856 visites  | Naivo kely

Toa lasa sehatra maloto ny fampielezan-kevitra izay ho ben’ny tanàna eto amintsika fa manjaka loatra ny vola, ka mampanontany tena ny rehetra hoe avy aiza ny fiavian’ireny, kanefa milaza ho sahirana ry zalahy sy zavavy isany. Raha ny eto andrenivohitra manokana, dia hifanotofan’ny antoko politika maro isan-karazany ny kandida voalaza fa tanora eto, ary hita hatrany izy ireo amin’ny fihetsiketsehana ataon’ity kandida ity. Niainga teny amin’ny Carlton io, ary hita hatrany amin’ireo fampielezan-kevitra ataony izany. Voalaza fa làlana iray ahafahana mifehy an’Antananarivo ny toa izao raha lany ity kandida ity. Nisy mihitsy filohan’antoko iray nanambara tamin’ny onjam-peo iray teto andrenivohitra fa lalàn’ny fandraisana fahefana ny fanovana ny olon’ny TIM hitondra eto Antananarivo renivohitra. Mazava ho azy fa tsy mitazam-potsiny ireto antoko politika ireto fa mampiasa ny volany, ary tafiditra ao anatin’io ireo olona voarohirohy amin’ny fanodikodinam-bolam-panjakana mitentina 117 miliara tamin’ny fitondrana talohan’ny 2002 ary mbola mialokaloka any ivelany hatramin’izao rehefa tsy tafita nilatsaka ho fidiana filoham-pirenena farany teo. Hatreto dia toa fanadiovam-bola ny fampielezan-kevitra misy eto andrenivohitra, ary dia hita fa atobaka etsy sy eroa tokoa ny vola mba handemena ny saim-bahoaka. Misy fetrany anefa ireny na zovy manao izany, satria ny safidim-bahoaka tsy azo vidina. Izay no ilaina ny fanovana ny lalàna mifehy ny fifidianana mba ho voajery ao ny fampiasam-bola amin’ny fifidianana tahaka izao.

Aoka isika tsy ho sodokan’ny filazana fa tanora na antitra ny kandida fa raha tsy voatsara amin’ny asany izy dia fakafakao lalina ny rehetra fa hazava aminao tsy ho ela ny tena marina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS