Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 04h01
 

Tribune libre

Fiverenan’ny delegasiona avy any Maputo

Fampitandremana

mardi 8 décembre 2009

Constant Raveloson : « Tandremo fa misy fanangonana jiolahim-boto karamaina hisotasota ». (source : Radio legalista, 89.6 FM – 06 -12-2009)

- Ny antoko MFM - faritra Analamanga dia nahazo tatitra hoe misy fanangonana jiolahim-boto sy besandry amin’ny faritra iva eto Antananarivo, karamaina ho eny Ivato sy amin’ny lalana izay ho lalovan’ny delegasiona avy any Maputo, hila-ady sy hitora-bato.

- Misy koa sokajina miaramila milaza fa miandry fotsiny ny fifandonana eo amin’ny samy sivily, hanararaotana hanendahana ny fitondrana ho eo am-pelatanana taritarika miaramila.

Noho izany, ambaranay eto amin’ny MFM Analamanga fa :

- Raisinay ho zava-dehibe iankinan’ny aim-pirenena mihitsy ny dinika sy ny hevitra izay ho tapaka any Maputo ;

- Ambaranay koa fa ny ampahany ao amin’ny mouvance Andry Rajoelina dia liana ary manaraka sy mi-telefaonina tsy tapaka, mifampidinika sy mifanakalo hevitra amin’ny mouvance hafa izay any Maputo amin’izao fotoana izao ;

- Hetraketraka sy fanonganam-panjakana no tetehan’ireo izay manarama ireo besandry ireo hisotasota. Tahaka izay koa fanararaotana sy tetika efa matotra handrobaham-panjakana hataona taritarika mitam-piadiana vitsivitsy raha misy sanatria miaramila tsy handamina an’ireo gros bras ireo fa izy indray no hanararaotra ny korontana izay hataon’ireo ;

Miantso antsika vahoaka, tsy an-kanavaka mouvance, na dia ny mouvance Andry Rajoelina aza, hitandro ny firenentsika. Efa mba tonga ny fotoana hananantsika tena governementa, aoka amin’izay ity governemanta rombahana sy atao tian-kano tsy tian-kano amin’ny vahoaka ity fa ny Malagasy efa te hifandamina amin’ny fitondrana. Repoblika isika.

Miantso ny rehetra ho mailo, handinika tsara ary hifampita vaovao araka ny zavatra miseho mifanaraka amin’izany.


RAVELOSON Constant

7 commentaires

Vos commentaires

  • 8 décembre 2009 à 09:50 | Zama (#3497)

    C’est basile et ses mêmes troupes qui sèment la pagaille. Charles o ! efa mazava ny tetik’ady.
    Bientôt la fin.......Vive maputo

  • 8 décembre 2009 à 10:28 | audier (#3547)

    Soyez honnete Constant, les plus grands spécialistes des rumeurs, des bagarres et perturbations sont les MFM , les AREMA et LES TIM donc avadio impito ny lela vao miteny. Ny hadalana sy ny fanonganam-panjakana nataon’i Ngahy Manandafy sy Ravalomanana sy ny forongony tamin’ny 2002, Dakar 1 et 2 no miteraka izao olana eto @firenena izao. Tsy ho ny hevitry ny MFM na Ny TIM mihintsy no Hampandroso an-i Madagasikara. Ny mampalahelo dia tsy manana olona mahay mandinika sy mamantra ny raharaha politika intsony ny MFM . TOKONY HIVERINA HIAVANA AMIN’ NY MALAGASY NY MAFANA
    AVELAO RAVALOMANANA FA EFA TSY IZY INTSONY IRENY.
    sokafy NY MASO DIA MBA MIHAINO TSARA NY FEON ’ ny mpiara nitolona ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Ndao ampy izay ny rediredy sy ny nofifofy teny @ MAGROS. mijoroa ho lehilahy fa mbola misy ny fptpana.
    Les erreurs sont humaines. Dommage LYNX n’est plus là. T. I. M = Teo Ihany no Miverina. PAUVRE MFM

    • 9 décembre 2009 à 16:33 | mpamaky (#2951) répond à audier

      Suis très etonné qu’il n’est pas encore ecroué Raveloson. Ce sont les MFM qui sont des vrais JIOLAHIMBOTO des JIOLAHIMBOTO.
      Si Andry ne fait attention aux MFM, il subira le sort de Dadabe Tsiranana, Ramanantsoa, etc...

    • 9 décembre 2009 à 22:58 | Mbôty (#3544) répond à audier

      Vous me faites pitié vous tous TGVistes. Vous êtes trop naïf en pensant que Rajoelina et consort vont changer votre vie et vous apporter qlqs choses de plus. Ouvrez vos yeux et regardez plus loin que le bout de vos nez et vous verrez que Rajoelina n’est pas un messie mais un terroriste.Vous l’encouragez et vous vous moquez de tous les victimes de cette crise,c’est bien dommage pour vous car votre décéption sera énorme.

  • 8 décembre 2009 à 11:34 | meloky (#637)

    C’est leur specialité de 72 !!!!

    Attention au semeur des troubles !!!

  • 8 décembre 2009 à 20:32 | erase (#1435)

    Ataovy maniny a-maniny ireo tonga avy any maputo. Mpamadika daholo ireo ary ataontsika mandray ny kihony. Ahita ela isany

  • 9 décembre 2009 à 09:23 | Tonton Mamy (#2460)

    TGV indray hono no mpilaza vaovao marina !AH !AH !AH !AH !AH !AH !AH !AH !AH !AH !AH !AH !AH !AH !AH !AH !AH !AH !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS