Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 10h00
 

Tsakotsako

Fahasalamam-bahoaka ve no resaka ?

mercredi 3 décembre 2008 | RAW

Misy pesta hoe eto Antananarivo ? Olona iray aloha no voamarina fa matin’ny pesta. Avy any ivelan’Antananarivo izy io no tonga teto nitady fitsaboana saingy maty. Tsy midika izany fa eto Antananarivo no misy pesta. Ny sasany moa dia avy hatrany dia mandrangaranga fa noho ireo fako miavosa no miteraka izany pesta izany ary nampitandrina ny Kaomina Antananarivo Renivohitra.

Nisy ihany ny resaka pesta teo alohaloha teo fa tany ivelan’Antananarivo. Nolavin’ny mpitondra ara-pahasalamana izany ahiahy izany ; tsy misy pesta izany tany amin’ireo toerana noahiahiana.

Izao anefa dia voamarina fa misy ny pesta any ivelan’Antananarivo ary ny fanaovana valandresaka ho an’ny mpanao gazety hampitandremana ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo dia toa milaza fa ny tsy fanalana ny fako no rangory fototry ny afo.

Moa ve mba takatr’izy ireny fa misy fiantraikany ratsy amin’ny fizahan-tany sy amin’ireo vahiny hantenaina ho avy aty amintsika ny fitatatatàna na fampitahorana fa misy « risque »-na pesta eto andrenivohitra noho ireo fako misy etsy sy eroa ?

Fa taiza moa ny tomponandraikitry ny fahasalamana hatrizay no izao vao mahita fa tandindomin-doza ny fahasalamam-bahoaka ? Taiza moa ny tomponandraikitry ny Faritra sy ny Prefet no izao vao mahita ireny fako miavosa ireny, ary indrindra ireny fianakaviana mivelona amin’ny fako ireny ?
Efa hatrany amin’ny taona 1975-1976 no efa nifaninana sy niady ireny fanariana zaoridira ireny tamin’ny alika sy ny voalavo ny ampahany miha-betsaka amin’ny fianakaviana sahirana. Efa tamin’izany no nisy 4’Mis.

Raha tamin’izany fotoana izany dia mbola teny amin’ny fokontany sasantsasany no nifanotofan’ireny 4’Mis ireny ny toby fanarina fako napetraka teny amoron-dalana, amin’izao dia « misy tompony » daholo ireny fanariana zaoridira ireny. Ady tsy misy farany no miseho manodidina azy ireny raha misy 4’Mis hafa mianakendry misava ny fanariana zaoridira tsy miera na mangataka alalana avy amin’ireo « tompony ». Moa mba hitan’ny Prefet sy ny governemanta ve ireny zaza mitsindroka fako, misavasava ireny toerana fanariana fako ireny ?

Miresaka zon’olombelona fa indrindra zon’ny ankizy, sy zo fototra ny rehetra, fa moa ve misy hetsika maharitra efa nataon’ny tomponandraiki-panjakana hanaisotra ireny zaza sy fianakaviana mivelona sy mihinam-pako ireny amin’ny lavaka na hantsana misy azy ireny ? Hatramin’izao aloha ny tena misongadina dia i Mompera Pedro sy ny ASA etsy Andrainarivo ny eto an-drenivohitra. Izany hoe ireo relijiozy sy ny fikambanana na olon-tsotra miara-miasa aminy.

Raha hiverenana ny resaka pesta sy fanazavana teknika nataon’ny Prefet dia hita fa tena misy ambadika hafahafa mihitsy. Toa antsojay hoy ny sasany. Hay moa ity olona voalaza fa matin’ny pesta dia tsy mponina teto an-drenivohitra fa mpivahiny avy any ivelan’Antananarivo nanatona ireo havany mba hitady fitsaboana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS