Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h40
 

Tribune libre

FANAMBARANA

mardi 9 octobre 2012

TATITRA MOMBA NY FANANGANANA NY F.F.M
« FILANKEVITRY NY FAMPIHAVANANA MALAGASY »

Ny fivoriana ara-potoana (réunion statutaire) nataon’ny KOMITIN’NY SORIDÀLANA SY NY FANARAHA-MASO na CNOSS (Comité National d’Orientation et de Suivi Stratégiques) teto Antananarivo ny 2 sy 3 ary 4 oktobra 2012, izay rafitra fara-tampony ato amin’ny VOIFIRAISANA manarakaraka ny Fivoriambe, ary ahitàna solontena iray avy avy any amin’ny Faritra 22 sy avy amin’ireo sehatra lehibe iasana na tematika,

- rehefa avy nandinika ny toerana misy ny asa rehetra isam-paritra sy eo amin’ny sehatra nasionaly iombonana, eo amin’ny sehatra iraisana amin’ny Afrika sy amin’ny eran-tany, ary nanamafy ny tokony hanohizana ny ainga vao ato anatiny (redynamisation) efa natomboka araka ny fanapahan-kevitry ny CNOSS roa farany, ny fiarahamiasa maharitra amin’ny INSTAT sy ny CREAM mifantoka amin’ny fananganana « Rafitra mpanara-maso ny Fahantrana eto Madagasikara » ao anatin’ny praograma iarahana amin’ireo firaisamonim-pirenena afrikana mivondrona ao amin’ny CNGO/SADC,

- nanome lanja manokana ny toe-draharaham-pirenena sy ny fivoatrany amin’izao fotoana izao, ny tranga miavaka toy izay miseho any amin’ny faritra Anosy sy ny distrikan’i Betroka, ny manodidina ny CENIT sy ny fifidianana, ny vahoaka eran’ny faritra 22 mandry an-driran’antsy, ny hamaroan’ny ankizy madinika iharan’ny herisetra sy mirenireny, ny manodidina ny « bois de rose » any amin’ny faritra SAVA, ny fihazakazaky ny fangoronan-tany ataon’ny vahiny sy ny tera-tany, ny Dinidiniky ny samy Malagasy... ary indrindra ny fananganana ny FFM.

- nanamarika fa iankinan’ny ho avin’ny firenena malagasy amin’ity taonjato faha-21 ity ny fananana FFM afaka hanatontosa antsakany sy andavany ny andraikitra mavesa-danja apetraky ny Tantara aminy dia ny fampiverenana ny fandriampahalemana sy ny filaminana ary ny firaisam-pirenena eto an-tanindrazana amin’ny alàlan’ny Fampihavanana sy ny Fifamelana ary ny Fikatsahana ny Marina ;

- rehefa avy niara-nanaiky koa fa tsy maintsy nitondra ny anjara-birikiny teo amin’ny fananganana ny FFM araka izay tratry ny heriny ny VOIFIRAISANA na efa fantatra dieny mialoha aza fa tsy ho mora izany, mba ho fanohizana ireo ezaka rehetra efa natao nanomboka tamin’ny faran’ny taona 2008 hamahana ny krizy ka ahafahana mampijoro repoblika sy fiaraha-monina vaovao mari-pototra sady mafy orina ho an’ny taranaka faramandimby,

- dia nanapa-kevitra fa, ankoatry ny RAPAORO ANATINY efa fanao momba ny fivoriana toy itony dia hanao TATITRA MANOKANA HO AN’NY MPIKAMBANA ATO AMIN’NY VOIFIRAISANA, NY FIRAISAMONIM-PIRENENA SY NY OLOM-PIRENENA REHETRA mikasika ny FAMPIJOROANA NY FFM izay ahitana ireto fizarana telo ireto dia :

  1. ny Firaisamonim-pirenena sy ny lanjany eo amin’ny fiainam-pirenena
  2. ny Fanombanana ny asa vitan’ireo rafitra isa-tokony nanangana ny FFM
  3. Fehiny sy soso-kevitra

I. NY FIRAISAMONIM-PIRENENA SY NY LANJANY EO AMIN’NY FIAINAM-PIRENENA

Eto dia mampahatsiahy ny VOIFIRAISANA, araky ny fanazavana izay efa ataony ombieny ombieny, araka izay voarakitra ao amin’ny DINA IOMBONAN’NY FIRAISAMONIM-PIRENENA MALAGASY (Charte commune de la société civile malagasy) natao tamin’ny jona 2005, fa ny firaisamonim-pirenena dia ny tontolon’ireo fikambanana marobe ivondronan’ny vahoaka any amin’ny fokontany, kaominina, distrika, faritra, ambaratonga nasionaly, hanatrarany tanjona iray iombonana dia ny fananan’ny vahoaka fiainana mivelatra araka ny tokony ho izy amin’ny lafiny rehetra miorina amin’ny fampandrosoana maharitra. Araka izany, ny iraka (mission) apetraka amin’ ny firaisamonim-pirenena, dia ny fiarovana ny tombotsoan’ny vahoaka tsy -ankanavaka ho amin’izany tanjona izany, na inona na inona finoany, firazanany, fokony, fironany arapolitika, sokajy misy azy eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy manana fironana hafa ankoatry ny fironany any amin’ny vahoaka sy ny fiarovana ny tombotsoa iombonan’izy ireo ny firaisamonim-pirenena

Iaraha mahalala koa fa eo amin’ny tany sy repoblika demokratika, dia ny vahoaka no tena tompon’ny fahefana fa mampindrana fotsiny an’ireo mpitondra voafidiny izy. Noho izany dia tsy azo dinganina ny firaisamonim-pirenena (incontournable) satria mandingana ny vahoaka raha mandingana azy. Ary dia tompon’andraikitra feno koa ny firaisamonim-pirenena eo amin’ny famolavolana sy fampiharana ary fanaraha-maso ny politikam-pirenena rehetra na any ifotony na eo antenantenany na any amin’ny faratampony.

VOIFIRAISANA dia mahalala tsara koa fa izany lanjan’ny firaisamonim-pirenena izany dia tsy mbola mahazo vahana tsara na eo amin’ny ambaratonga iraisam-pirenena aza, ary indrindra moa aty Afrika sy eto Madagasikara., Mbola mitaky tolona lavitra ezaka, mila faharetana sy fikirizana eo amin’ny firaisamonimpirenena, fiaraha-miasa sy fifandresen-dahatra amin’ny fanjakana sy ny hery velona isa-tsokajiny eo amin’ny sehatra ara-toe-karena (société économique) sy ny sehatra ara-politika (société politique)

Noho izany antony izany, dia manolotra fisaorana mitafotafo an’ireto rafitra sy hery isa-tokony ireto ny VOIFIRAISANA amin’ny firosoany manokana amin’izany fanomezan-danja ny firaisamonim-pirenena izany :
- misaotra ny SADC manokana izay nametraka ny andininy faha-28 ao anaty Tondrozotra izay manome lanja ny firaisamonim-pirenena eo amin’ny dingana rehetra irosoana amin’ny famahana ny krizy politika
- misaotra indrindra ny MINISTERA MISAHANA NY FIFANDRAISANA AMIN’NY ANDRIM-PANJAKANA na ny MRI izay fantatry ny VOIFIRAISANA fa loha-laharana eo amin’ny fanomezan-danja ny firaisamonim-pirenena na teo amin’ny famolavolàna sy fandaniana ny lalàna 2012-010 momba ny FFM na teo amin’ny fanatanterahana ny asa notakian’ny fananganana ny FFM
- isaorana eto ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny KOMITY MPANOMANA NASIONALY sy ireo KOMITIMPARITRA SY DISTRIKA izay samy niezaka, tamin’ny fanantontosana ny asa rehetra notakiana taminy, na somary voafetra koa aza noho ny antony maro samihafa,
- ny fisaorana dia mitodika ihany koa amin’ireo mpikambana ao amin’ny KOMITY MPISIVANA izay niasa andro aman’alina, namita ny asa nangatahina taminy tao anaty fotoana fohy, ary azo an-tsaina fa tsy mora.
- Ny fisaorana farany dia atolotra ireo mpiserasera sasany izay niezaka hatrany ahazo sy ampiely amin’ny vahoaka ny zava-misy sy ny tranga araka ny fisehony marina mikasika ny fananganana ny FFM, ka tsy mba nijanona tamin’ny fampielezana « honohono » izay miteraka fampisavorovoroana sy fanakorontanana saimbahoaka ary fandranitana maro lafy izay tsy manampy velively eo amin’ny fampitsaharana ny krizy sy ny fampihavanana...

II. TOMBANA MOMBA NY ASA VITAN’IREO RAFITRA NANANGANA NY FFM

Ny Komity mpanomana sy ny Komity mpifantina Tsipihin’ny VOIFIRAISANA avy hatrany fa SAMIHAFA NY KOMITY MPANOMANA SY NY KOMITY MPIFANTINA. Samihafa ny andraikitra ary tsy mifanitsaka ny mpikambana. Efa nohazavaina ombieny ombieny fa ny andraikitry ny Komity nasionaly mpanomana dia ny manazava sy manentana araka izay tratra ny olompirenena rehetra momba ny FFM, mamaritra ny toetoetra na profil n’ireo mpikambana ao amin’ny FFM araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna, mametraka ny fitsipika sy ny karazana antontan-taratasy takiana amin’ireo mpirotsaka, mamaritra ny fe-potoana sy ny daty izoran’ny asa sy ny fahavitany, ary mametraka ny KOMITIMPARITRA mpanentana sy mpandray ny dosie n’ny kandidà ary koa NY KOMITY MPIFANTINA rehefa avy namaritra ny toetoetra na profil tokony ananan’ireo mpikambana ao sy ny fomba fiasany ary ny tondro ampiasaina eo am-pifantenana ny kandidà (jereo FANAMBARANA, fihaonana tamin’ny mpiserasera, fanazavana tamin’ny radio sy televisiona maromaro...) Afaka mirotsaka daholo ny olom-pirenena tsirairay avy. Tsy nisy tombo sy hala fa nitovy tanteraka ny karazan’antontan-taratasy nangatahina tamin’ny mpirotsaka tsirairay avy (« fiche de candidature » nofenoina, « lettre de motivation », CV misy sary, « lettre de recommandation » tsy noferana ny isany). Ny hany azo ilazana fa sady mpitsara ilay olona no tsaraina dia raha toa izy ka sady tao anatin’ny KOMITY MPANOMANA NO TAO ANATY KOMITY MPISIVANA. Koa lainga ny filazàna fa ny olona tao amin’ny komity mpanomana ihany no tao amin’ny komity mpifantina.

- Ireo ray aman-dreny izay voafantina ao amin’ny FFM

Miharihary kosa fa : Ny maro an’isa dia tompon’andraikitra avo toerana teo amin’ireo fitondrana nifandimby teto amin’ny firenena ary tao anatin’ireo antoko politika nisy na mbola misy : ministra, senatera, depiote, mpitantana ambony teo amin’ireo andrim-panjakana sy ambaratongam-pitondrana isa-tsokajiny ... Vitsy dia vitsy kosa ny tompon’andraikitra voafantina ho ao amin’ny FFM avy amin’ny firaisamonimpirenena izay mpitarika fikambanana miasa any amin’ny Faritra tsirairay avy efa an-taonany maro, fa tsy fikambanana vao nitsangana tamin’ ity krizy ity fotsiny. Araka izany dia zara raha misy mpitantana mifanerasera mivantana sy isan’andro amin’ny vahoaka amin’ireo voafidy ka fantany tsara ny momba azy, na koa mpitantana miara-miasa aminy amin’ny alalan’ny fiaraha-manatanteraka praograma sy tetikasa iadiana amin’ny fahantrana sy ho fampandrosoana ny vahoaka ary ny vehivavy sy ny ankizy. Misy amin’ ireo tsy voafidy koa no efa manana traikefa amin’ny fampihavanana any ifotony, any amin’ny distrika sy ny faritra... Betsaka amin’izy ireny no nametraka taratasy filatsahana...

Soritana eto fa tsy indray mandeha ny solontenan’ny VOIFIRAISANA ao anatin’ny KOMITY NASIONALY MPANOMANA no nanizingizina teo am-pivoriana fa ny zava-dehibe voalohany indrindra dia ny hananan’ny FFM mpikambana tena mifanitsy marina amin’ireo toetoetra (profil) voafaritra ireo ka ho afaka hanatanteraka antsakany sy andavany ny iraka tokony ho tontosainy na iza izy na iza ary na avy aiza izy na avy aiza fa tsy voatery hoe mpikambana avy ao amin’ny CNOSC na avy ao amin’ny RRM na avy ao amin’ny FINONA satria tsy toerana tadiavina fa tanjona tratrarina. Ary ny VOIFIRAISANA dia mahalala tsara fa ao anatin’ny firaisamonim-pirenena dia ahitàna ray aman-dreny mifanitsy amin’ireo toetoetra rehetra takiana ireo. (Marihina fa ny avy ato amin’ny VOIFIRAISANA manokana moa dia tompon’andraikitra roa ihany no voafantina) Misy kosa amin’ireo raimandreny voafantina ireo no sady tsy fantatry ny vahoaka mihitsy na any amin’ny distrika na any amin’ny faritra ary tsy fantatra koa eto amin’ny sehatra nasionaly. Ampahatsiahivina fa solontenam-paritra sy distrika avokoa no nihaona teto Antananarivo, ary ankoatra izany, ny VOIFIRAISANA dia nanadihady tany ifotony. Vitsy dia vitsy koa ny isan’ny vehivavy voafantina. Ny VOIFIRAISANA akory tsy milaza fa rehefa mifandanja ny isan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny sehatra iray, dia milaza avy hatrany izay fa hisy ny fivoarana sy fiovana. Saingy araka ny traikefa efa vita tombana eran-tany sy ny traikefa manokana ananany eo amin’ny fampandehanana ny fikambanana marobe ao anatiny mihoatry ny 3500, dia ilaina mihitsy ny vehivavy izay mazàna mijoro amin’ny foto-kevitra mari-pototra, be herim-po, manam-pitozoana sy faharetana ary mahatanteraka ny asa hatramin’ny farany. Raha tiana handroso marina ny firenena ary hisy ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana ary ny firaisam-pirenena eto Madagasikara dia tokony omena anjara toerana lehibe ny vehivavy.

- Ny antony lehibe heverin’ny VOIFIRAISANA fa nahatonga izany dia :

Ny tsy mbola fahatakarana sy fifehezana mihitsy eto amin’ny firenena ny atao hoe firaisamonim-pirenena sy ny lanjany eo amin’ny fampandrosoana sy ny Fandriampahalemana, ary ny fanelanelanana sy ny fampihavanana, na eo amin’ny fanjakana sy ny olom-panjakana izany, na eo amin’ny sehatry ny firaisamonim-pirenena sy ny Vondrona telo niara-niasa koa aza dia ny RAY AMAN-DRENY MIJORO sy ny CNOSC ( izay misy ny VOIFIRAISANA), ary ny FINONA Ny fahavitsian’ny vehivavy tao amin’ny Komity mpisivana sy ny tsy mbola fahatakarana sy fifehezana mihitsy koa ny anjara-toerana lehibe tanan’ny Vehivavy eo amin’ny fampandrosoana sy ny fandriampahalemana ary ny fampihavanana Ny fahafohezan’ny fotoana nomena ny Komity mpifantina hanatontosàny ny andraikiny ka tsy nahafahany nandray an-tànana tsara ny atao hoe firaisamonim-pirenena sy ny lanjany eo amin’ny fiainam-pirenena, ary indrindra ny toerana tokony ho tanany ao anatin’ny FFM. Fa mbola azo marihina eto koa ny fahavitsian’ny olona tompon’andraikitra na teknisiana avy ao amin’ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena tao. Ny nanesorana ny tondro (indicateurs) roa lehibe ahafantaran’ny mpifantina fa olon’ny firaisamonimpirenena ny kandida ary koa ny sehatra iasany eo amin’ny fampandrosoana (thématiques), tao anatin’ny volavola naroso (projet d’indicateurs et de notation) ka tsy hita intsony teo amin’ny taratasy farany natolotra ny mpifantina.

Ny fahataran’ny fahazoana ny vola ho enti-manana ny asa rehetra ka niteraka fikoropahana ary indrindra tsy nahafahana nandefa ireo iraka tany amin’ny faritra 22 hiara-miasa amin’ny Komitim-paritra sy hifanakalo hevitra tamin’ny solontenan’ny firaisamonim-pirenena tany. Ny tsy fanomezan’ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena (communauté internationale) lanja loatra ny fananganana ny FFM Ny tsy fisian’ny fisokafana (ouverture) teo amin’ny dingana nolalovana rehetra - Marihina fa FOTOKEVI-DEHIBE ijoroan’ny VOIFIRAISANA hatrany ny fisokafana sy ny fampandraisan’anjara araka izay azo atao ny rehetra, indrindra manoloana ny famahana ny krizy. Vao tsy nisy akory fikambanana nitodika manokana momba ny famahana ny krizy, dia efa nitady ny fisokafana sy fampivondronana ary fiaraha-miasa tamina fikambanana sy vondrona samihafa ny VOIFIRAISANA : ohatra, desambra 2008 niaraka tamin’ny Federasionan’ny Fikambanana silamo sy ny HAVATSA/UPEM-Union des Poètes et Ecrivains de Mcar). Ary avy eo moa dia notohizana izany : febroary 2009/CCOC, aogositra 2009/AOSC, jolay 2010/CNOSC. Amin’izao fotoana izao, ao anatin’ny CNOSC miara-miasa amin’ny RRM sy FINONA.

Nandritra ny fe-potoana septambra 2011 ka hatramin’ny jolay 2012, dia nangataka hatrany ny CNOSC misy ny VOIFIRAISANA, fa ankoatra ireo vondrona 4 voatonona anarana ao amin’ny Tondrozotra dia tokony hisy Fikambanan’ny firaisamonim-pirenena hafa antsoina hiara-miasa.

Tao anatin’ny Komity mpanomana ny fananganana ny FFM, ny solontenan’ny VOIFIRAISANA dia nanolotra hatrany ny hevitra mitaky fisokafana, na ao amin’ny Komity mpisivana (Comité de sélection) na ao amin’ny Komity mpanaramaso ny maha ara-dalàna ny fizotran’ny fisivanana (Comité interne de Conformité) amina rafitra na olona vitsivitsy fantatra amin’ny fijoroany amin’ny fahamarinana III. FEHINY SY SOSO-KEVITRA MOMBA NY FANOHIZANA NY FAMPIJOROANA NY FFM Ny CNOSS dia manohana ny ezaka rehetra efa vita teo amin’ny famahana ny krizy araka ny soridalana nomen’ny fivoriana rehetra nifanesy ary ny fanohizana ny fandraisana anjara eo amin’ny fananganana ny FFM Manohana manokana ny Filohan’ny VOIFIRAISANA izay nampihatra antsakany sy andavany ny soridàlana sy ny hafatra rehetra napetraka taminy ary nampiseho tamin’ny fandraisany anjara tamin’ny famahana ity krizy ity ny traikefa sarobidy ananany amin’ny maha tena olon’ny firaisamonim-pirenena azy efa ampolontaona maro izay ampiasain’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny kontinanta hafa koa aza Mankasitraka koa izay ezaka vitan’ireo rafitra isa-tokony na tany amin’ny faritra sy ny distrika tsirairay avy na koa teto amin’ny nasionaly, ka tena niorina tokoa tamin’ny-Fahamarinana (intégrité), ny Fampandraisana anjara ny olom-pirenena sy ny Faritra ary ny distrika, ary maneho hafaliana noho ny fandresena azo, na mety ho bitika dia bitika aza izany, teo amin’ny fanoherana ny tsikombakomba, ny fiafenana ao ambadiky ny anaran’ny firaisamonim-pirenena itadiavana tombotsoa manokana na hampisavorovoroana ny saim-bahoaka, ka tsy hahafantarana intsony ny vary sy ny tsiparifary.

Ny tanjona tratrarina amin’ny fananganana ny FFM dia ny fampijanonana ny krizy sy ny fanakanana azy tsy hiverimberina intsony eto Madagasikara ary indrindra fampijoroana repoblika sy fiaraha-monina vaovao marin-toerana tsara. Ny ezaka rehetra natao manodidina an’izany tanjona izany toy ny DINIKY NY SAMY MALAGASY (Dialogue malgacho-malgache), ihaonan’ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena, izay efa notakin’ny VOIFIRAISANA talohan’ny fifanarahana tany Mapoto ary notohizan’ny CNOSC taty aoriana, dia ezaka iray mizotra ho amin’izany tanjona izany. Fa ny tena zava-dehibe tokony atao ahafahana manatratra ny tanjona, dia ny fampirindrana sy fampivondronana ireo ezaka rehetra ireo ao anaty fifampidinihin’ny samy Malagasy. Ny VOIFIRAISANA dia vonona hatrany mbola hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ny FFM ary voalohany amin’izany ny lanja tokony omena ny firaisamonim-pirenena.

Kanefa, ny zava-niainana teo aloha dia hita fa tsy mora izany ka vao mainka koa tokony ho mailo sy mahiratra ary sahy miaro ny fahaleovantenan’ny firaisamonim-pirenena sy ny tombotsoan’ny vahoaka eo anatrehan’ny fihetsika sy fomba fiasa ary tetika samihafa mifanohitra amin’izany.

Ny VOIFIRAISANA manokana dia niezaka hatrany, nandritra ny dingana rehetra nananganana ny FFM nampita tamin’ny mpiara-miasa rehetra tao amin’ny Komity mpanomana, ny foto-kevi-dehibe -sy ny etika ary ny fomba fiasa tokony tanan’ny firaisamonim-pirenena hiarovana ny tombotsoambahoaka fa tsy ny an’ny tena na ny an’ny fikambanan’ny tena manokana. Io koa dia mbola tolona lavitra ezaka ary fantatra dieny izao fa vao mainka koa ihasarotra amin’ny dingana manaraka. Nefa vonona hatrany ny VOIFIRAISANA hiroso satria ny ho avin’ny firenena malagasy sy ny taranaka mifandimby no arovana.

Miangavy ny CSC (Comité de Suivi et de Contrôle de la mise en oeuvre de la Feuille de Route) izay voatendry hanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra mba tsy hikely soroka ary hijoro ho modely eo amin’ny fanajàna marina ny fotokevitra (principes de base), ny lalàna ary ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany azy ireny momba ny FFM.

Mametraka fitokisana amin’ny MRI izay efa niezaka hatrany nanome lanja ny firaisamonim-pirenena sy ny fanarahana antsakany sy andavany izay voalaza ao amin’ny lalàna n° 2012-010 vao mainka koa hanamafy izany eo amin’ny fanomanany ny « constatation par decrét » momba ny FFM ary hanohy ny fiarahany miasa amin’ny Firaisamonim-pirenena hanafainganana ny asa rehetra mba hanatrarana ny fe-potoana takian’ny fanatanterahana ny fifidianana araka ny tokony ho izy.

Farany, miharihary amin’ny VOIFIRAISANA fa efa dingana voalohany eo amin’ny fanomezan-danja ny firaisamonim-pirenena ny nametrahana ho andraikiny ny fananganana ny FFM araky ny Tondrozotra sy ny lalàna 2012-010. Ekena fa tsy ilaozan’ny lesoka sy ny tsy fahalavorariana ny vita araka ny zava-drehetra voalaza teo aloha sy ny hafa koa, nefa tsy ho làlana indray hararaotin’ny mpanao politika sasany sy ireo mahita tombotsoa amin’ny faharetan’ny krizy hanaovana anjorom-bala ny firaisamonim-pirenena tena miaro ny tombotsoam-bahoaka.

Antananarivo, 5 oktobra 2012

Ireo tompon’andraikitry ny CNOSS isam-paritra sy distrika sy isan-tsehatra iandraiketana :
1. Rtoa RANDRIMAMPIONONA Lalao, Filoha nasionaly
2. Atoa IMBE Venance, DIANA
3. Atoa MAHAIBE Jean Martin, SAVA
4. Atoa MORASATA Marc, Atsimo Atsinanana
5. Atoa RANDRIANASOO René, Bongolava
6. Atoa RAVELOJAONA Gilbert, Atsimo Andrefana
7. Atoa RAZAFIMAHATRATRA Paul Gabriel, Matsiatra Ambony
8. Atoa RAZAFINDRAVELO Désiré, Analanjirofo
9. Atoa TSILAZAINA Oberlin, Sofia
10. Rtoa RALAIKOA Bernadette, Boeny
11. Rtoa RAVONIARISOA Lilia, Vakinankaratra
12. Rtoa RAVOSON Nalimanitra, Menabe
13. Rtoa RAZAFINDRAHAJAMANANA Dorothée, Analamanga
14. Rtoa RAZAFINDRASOA Hélène, Bongolava
15. Rtoa RAZANAMALALA Marie Pierrette, Anosy
16. Rtoa RAZANANIRINA Florentine, Vatovavy Fitovinany
17. Rtoa ZAFITSARA Maria Christine, Atsinanana
18. Atoa RAMIANDRISOA Jean Marcel, Sakaraha
19. Atoa RAJAOMARIA Tsivolany Clerc Jouanneau, sehatra Fanabeazana
20. Atoa RAKOTOROVA RABETSARA Lita, sehatra Fivondronan’ny Fikambanan’ny Mpanjifa
21. Atoa RAVELOSON Arsène, sehatra Rano-Fahadiovana-Fidiovana
22. Atoa RAZAFINTSALAMA Pierre Emile, sehatra Zon’olombelona
23. AtoaRAMIARONDRABE Hajason, sehatra Fanjakana tsara-tantana-Fifidianana-Ady amin’ny Kolikoly
24. Rtoa ANDRIANARISON Emma Chantal, sehatra Fahasalamana
25. Rtoa RAJAONARIVELO Heritiana, sehatra Tontoloniainana sy Herena voajanahary
26. Rtoa RAKOTONDRAVELO Hantalalaina, sehatra Miralenta
27. Rtoa RASOARIMANANA Marie Thérèse, sehatra Zon’ombelona
28. Rtoa RAZANAMAHEFARIVO Armine, sehatra Miralenta 5

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS